Sabotsy 05 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8 — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa ; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.

0 : 00

Mitety vohitra sy tanana maro, i Jesoa, mampianatra. Ombieny ombieny, ny papa François sy ireo papa nifandimby dia nampirisika mba tsy hijanona ao anaty rindrina efatra fa hivoaka, satria iraka ny Fiangonana amin'ny maha Fiangonana azy, izany hoe, tahaka an'i Kristy nanatona ny olombelona, tahaka an'i Kristy iraky ny Ray ho an'izao tontolo izao. Na dia laharam-pahamehana aza ny ondry very amin'i Israely, dia izao tontolo izao mihitsy no mila itoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny tsy fahampian'ny mpiandry sy mpitarika ny andian'ondry, no mampalahelo an'i Jesoa eto, hany ka samy mandeha any amin'ny lalany avy ny andian'ondry. Izany no hitalahoana isan'andro : hanirahan'Andriamanitra mpiandry ny andian'ondry, sy mpinjija ny vokatra.

Ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra dia antso fibebahana, izany hoe hanatonana an'Andriamanitra ka ho afaka amin'ny aretina sy ny loza rehetra. Fanomezan'Andriamanitra maimaim-poana ny famonjena, ka tsy maintsy toriana maimaim-poana toa izany koa. Finoana enti-mamaly ny antso, herim-po enti-manatanteraka ny iraka, hokolokolintsika anie izany, amin'izao Fiaviana izao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...