02 aprily — I François dia teraka tamin'ny taona 1416 tao amin'ny tanana kely anankiray antsoina hoe Paule, ary izay no mahatonga ny anarany ho François de Paule, any Calabre any io toerana io. Niavaka ny fahazazany satria raha mbola kely izy dia efa voasintona sahady hiari-tory amin'ny fiambenana masina sy ny vavaka.
Alahady 05 aprily 2020 — Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 1-11 — Ho antsika, dia nanolo-tena i Kristy hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy : ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
♦ Mitombo isa ireo olona teto an-toerana nifanerasera tamin'ny olona mitondra ny Coronavirus no nifindran'ny tsimok'aretina ihany koa... ♦ Hisy fivoriana lehibe iarahan'ny Filoham-pirenena amin'ireo sehatra maro samihafa ny 04 aprily izao hanapahana ny mety ho tohin'ny fepetra ampiharina isakanana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina...
♦ Mbola nitombo efatra indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, raha ny valin'ny fitiliana avy eny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nitohy androany ny Test Diagonostic Rapide (TDR) atrehin'ireo olona tonga avy any ivelany, ny 11 marsa hatramin'ny 19 marsa teo, atao eny amin'ny Jumbo Score Ankorondrano sy ety amin'ny CCI Ivato...
♦ Nahazo fampitandremana am-bava tamin'ny tompon'andraikitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katôlika Mazava Atsinana fa tsy mandefa ny fandaharana miara-manonja miainga etsy amin'ny CCO ety Ivato... ♦ Mikatona amin'ny 12 ora antoandro ny Tsenanasabotsy sy Antsenakely ao Antsirabe manomboka androany ho fampiharana ny fepetra tsy hiparitahan'ny Coronavirus any Vakinankaratra...
♦ Niisa dimy ireo mpandeha avy any ivelany tonga teto Madagasikara nanomboka ny 11 marsa teo, natao fitiliana faobe tetsy amin'ny CCI Ivato sy teny Ankorondrano omaly, no mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nidina ifotony nijery akaiky ny fizarana ny fanomezana avy amin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina mivady...
01 aprily — Teraka tao Châteauneuf-sur-Isère tamin'ny taona 1053 i Masindahy Hugues. Pretra tao Valence teo amin'ny faha-20 taonany izy fa tamin'ny taona 1080 kosa izy no notendrena ho eveka tao Grenoble.
♦ Nampahafantarina androany ny fisian'ny fanafody voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hitsaboana ireo soritr'aretina mitranga ho an'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Tokony hanatona ny Kaominina ny lehiben'ny Fokontany mbola tsy naharay ny fanampiana avy amin'ny Fanjakana ho an'ireo sokajin'olona samihafa tokony hahazo izany hoy ny Ministry ny Mponina Naharimamy Irmah...
31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.
♦ Miisa efatra ireo avy any amin'ny faritra hafa ivelan'Analamanga mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Manana paik'ady iadiana amin'ny Coronavirus ny antoko TIM. Nanamafy ny fahavononany hifanolo-tanana amin'ny Fanjakana amin'izao ady atrehan'ny firenena izao Andriamatoa Marc Ravalomanana...
♦ Tsy nitombo fa mbola 43 hatramin'ny mitatao vovonana teo ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nampitomboina ho 240.000 ny isan'ireo olona misitraka ilay fanampiana avy amin'ny fanjakana. Hahazo izany koa ireo olona tena sahirana tsy manana fidiram-bola isaky ny kartie...
Sabotsy 04 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 45-56 — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ; amereno hafaliana avy amin'ny vonjinao.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco