♦ Navoaka tamim-pomba ofisiay ny andiana mpianatra miisa 117, izay nahavita fianrana teny amin'ny UCM... ♦ Ho hamafisina ny fanentanana sy famongorana ny herisetra mianjady amin'ny ankizy ary hisitraka tohana ihany koa ireo fikambanana miahy ankizy... ♦ Manao tohivakana ny fametra-pialan'ireo ministra armeniana taorian'ny fifanaovan-tsonia ho fampitsaharana ny ady any Haut-karabakh...
22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.
♦ 20 novambra : Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny ankizy. Maro ny hetsika nanamarihana izany teo amintsika nataon'ny fikambanana sy ny sekoly samihafa... ♦ Kendrena hisondrotra 4,5% ny harinkarem-pirenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitra ao amin'ny lalàna mihefy ny teti-bolam-panjakàna 2021... ♦ Efa mihatsara ankehitriny ny toe-pahasalaman'i Mgr Bassetti, evekan'i Pérouse sady filohan'ny fivondronamben'ny eveka Italiana, izay narary mafin'ny Covid-19...
21 nôvambra — Raha ao amin'ny Evanjely efatra ao amin'ny Baiboly, dia tsy ahitantsika ny tantaram-piainan'i Maria Virjiny, fa ny boky apocryphe antsoina hoe Protévangile de Jacques no ahitana izany tantara izany. Ny protévangile dia midika hoe "Evanjely voalohany".
Alarobia 25 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19 — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.
20 nôvambra — Teraka ny 841 tao Norbury i Edmond. Zanak'i Æthelweard tao Kent, izay taranaky ny mpanjaka saxons tao Est-Anglie izy. Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy nonofidian'ny mpanjaka Æthelstan handimby azy amin'ny fitantanana ny fanjakana, noho io mpanjaka io handeha hitoka-monina any amin'ny Tany Masina, hamarana ny fiainanay amin'ny vavaka sy ny fibebahana.
Talata 24 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11 — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Zava-dehibe amin'ny fivoaran'ny zaza sy ny ankizy ary adidin'ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny miresaka mikasika ny mahalahy sy mahavavy ary ny fananahana amin'izy ireo ho fahalalana ho azy sy ho fiarovana amin'ny fanararaotana ara-nofo samihafa. Amin'ny alalan'ny fanontaniana hapetrany no hanomezana azy ireo ny fahalalana sahaza araka ny taonany amim-pifandraisana tsara sy mahatoky. Tsy misaraka amin'izany adidy izany ny fanahara-maso sy fandraisana an-tanana, ara-pahasalamana azy ireo raha ilaina...
♦ Nanomboka androany ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana loholona... ♦ Homena sehatra ny fampandrosoana ao Amorin'i Mania hoy ny governora Ramatoa Mamiarsoa Aline tontosa tao Ambositra omaly ny famindram-pahefana sy ny fitantanana teo amin'ny lehiben'ny faritrra mpisolo toerana sy ity governora vaovao ity... ♦ Tsy hanova ny voka-pifidianana ka naharesy ny filoha amerikana Donald Trump ny famerenana ny fanisam-bato amin'ny Fanjakàna sasany any Etazonia...
Toa ny zezika manome aina ny fitiavana eo amin' ny tokatrano ny fanokanana fotoana manokana amin' ny fikolokolona izany. (18-11-2020)
19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.
♦ Ny tetikasa Kobaby : Tetikasa iarahana amin'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, tontosaina any amin'ny Faritra Diana, fiaraha-misa amin'ny AFD. Tetikasa mahakasika sehampiharina miisa dimy : Ny varimanitra, Ny tantely (an-tanety sy an'ala honko), ny fihariana voankazo, ny Jono maharitra ary ny fizahan-tany ifotony. ♦ Ny trandraka: biby mampinono, misy miantso azy hoe "tandraka" na " Kelora", biby miavaka satria tsy manana rambo, mirefy 145 hatramin'ny 328mm. ♦ Bolabolanà andramena miisa 87, no tratra tao amin'ny distrika Amparafaravola...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco