19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.

[audio src="/images/sounds/saint-20201119.mp3" background="#0099ffff"]

Nalefa tany amin'ny lapan'i Childebert i Tanguy, ary lasa mpiantafika mpitaingin-tsoavaly. Ny anabaviny kosa tamin'izany nijanona tao Trémazan tao Bretagne tao amin'ny renikeliny ihany, ka io nanabe azy. Rehefa tafaverina i Tanguy, dia nambaran'ilay renikeliny, izay nampijaly fatratra an'ity anabaviny ity, fa hoe ratsy fitondran-tena hono i Haude ka manala baraka eo amin'ny fiaraha-monina. Tezitra mafy noho izany i Tanguy, tsy nieritreritra kely akory ka lasa avy hatrany namono sy nanapaka ny lohan'ity anabaviny. Tsy maty avy hatrany anefa i Haude, fa noraisiny ny lohany, nentiny niditra tao an-trano, ary namela ny hadisoan'ny anadahiny izy, sy nangataka sakramenta alohan'ny tena hahafatesany.

Nihoron-koditra noho izany i Tanguy ka nitomany tena fatratra sy nibebaka mafy, ka lasa nandeha nitoka-monina, teo ambany fitarihan'ny evekan'i Léon, Pol Aurélien. Nanorina trano fitokana-monina niaraka tamin'io eveka io izy, ka tao Locmazhé no nanorenany izany ary nantsoina hoe Saint-Mathieu de Fine-Terre. Nanorina trano fitokana-monina hafa koa izy tao Gerber. Nalevina sy hajain'ny Bretons ao Locmazhé i Masindahy Tanguy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...