♦ Tsy nisy tranga vaovao nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus ireo olona natao fitiliana teny amin'ny Institut Pasteur tato anatin'ny roa andro izay... ♦ Natomboky ny Filoham-pirenena tamin'ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana tany Fianarantsoa ny fizarana maimaim-poana ny tambavy CVO androany... ♦ Efa am-perin'asa tanteraka amin'ny fiatrehana ny fiverenan'ny fampianarana ho an'ireo kilasy hanala fanadinam-panjakana ny eo anivon'ny Ministera...
♦ Amin'ny alalan'ny didy hitsivolana avoakan'ny Filohan'ny Repoblika no nahafahana nindram-bola tamin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena noho ny tsy fahafahan'ny Antenimiera roa tonta mivory... ♦ Tsy hisy fihemorana ny fankalazana ny Fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Mitady hiverina indray ny fanafihana teratany vahiny ao Antsiranana...
21 aprily — Teraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny fianakaviana andriana tao Aoste, Piémont. Mbola kely dia efa nampianarin'ny reniny ho tia an'Andriamanitra sy i Masina Maria izy. Vehivavy tia vavaka tokoa mantsy io renin'i Anselme io.
♦ Tsy niova ny isa 121 fitambaran'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Tsy nisy tranga vaovao omaly... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny Covid Organics, vokarin'ny ivo-toeram-pikarohana natsangan'ny Profesora Rakoto Ratsimamanga na ny IMRA... ♦ Tsy tokony ahindrahindra amin'izao ady atao amin'ny Coronavirus izao ny loko pôlitika hoy ny ROHY...
♦ Tsy nisy olona voan'ny Coronavirus ireo olona natao fitiliana tato anatin'ny 24 ora... ♦ CVO na Covid Organics, io ilay tambavy hampiakatra ny hery fiarovana, hisorohantsika ny fiparitahan'ny Covid-19 novokarin'ny IMRA... ♦ Nanomboka androany avy hatrany ny fandamin'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, miaraka amin'ireo any amin'ny DRENETP...
♦ Mitaky ny fahalalahana maneho hevitra mba ahazoana vaovao marim-pototra ny hetsika ROHY na dia izay ambara fa fanakianana mivaivay indrindra aza... ♦ Tsy mbola vita ny ady amin'ny valan'aretina Coronavirus, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Hametrahana fitaovana ahafahana manasa tanana amin'ny rano sy savony ireo toerana rehetra tsy ahitana rano nefa be mpandalo...
20 aprily — I Odette dia relijiozy mpitoka-monina maty tamin'ny taona 1158. Avy amin'ny fianakaviana fanta-daza tao Brabant izy, ary raha hampanambady azy an'i Simon, andriandahy tao amin'izany tanana izany, ny rainy dia nolavin'i Odette tamin'ny fotoanan'ny mariazy teo anatrehan'ny pretra, nandritra ny fombam-pivavahana fanao amin'ny fifanomezan-toky.
♦ Hiverina tsikelikely ny fiainana andavan'andron'ny mponina indrindra fa ny asa fivelomana amin'ity herinandro ity... ♦ Olona vaovao iray omaly no voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Miantso ny Fiangonana isan'isany manerana ny Nosy mba hahatsiaro hanolotra izay voatsirambin'ny tanana ho an'ny olona tena sahirana ny Filohan'ny FFKM...
19 aprily — I Masindahy Léon IX dia papa teo anivon'ny Moyen-Âge. Bruno d'Eguisheim-Dagsburg no tena anarany ary teraka tao Eguisheim izy ny 21 jona 1002 ary maty tao Roma ny 19 aprily 1054. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana andriana tao Alsace i Bruno ary evekan'i Toul izy no notendren'ny amperora ho papa ka nankatoavin'ny mpitondra fivavahana tao Roma izany.
♦ Mihatra mandritra ny 15 andro nanomboka omaly indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasiakra, araka ny didim-panjakana nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Ministra... ♦ Nidinika niaraka tamin'ny tompon'andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Vondron'ny Koperativa miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU... Saika miandrandra fanampiana avy amin'ny fitondrana avokoa ny ankamaroan'ireo sokajin'olona tsy afa-miasa noho ny fihibohana...
18 aprily — I Masindahy Parfait dia ilay pretra martiry tao Cordoue tany Espagne. Fiangonana iray nantsoina hoe Saint-Ascicle, tao amin'ny tananan'i Cordoue tany Andalousie no notantanan'i Parfait.
♦ Mitohy ao anatin'ny 15 andro eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana araka ny tapaky Filankevitry ny Ministra omaly... ♦ Mbola tsy ahitana tranga Coronavirus eny anivon'ny fonja manerana an'i Madagasikara hoy ny Pretra Aumônier Nasiônalin'ny fonja... ♦ Nanofa fiara, dia an-tongotra, moto no namonjen'ireo zokiolona mpandray fisotroan-dronono ny toerana fakana vola...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco