15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.

Araka ny tantara dia babo namidin'ny olona tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izy io. Nonina tao Mtskheta, na Tbilissi amin'izao fotoana izao izy. Nanokan-tena nivavaka i Christiane ka noheverin'ny olona ho shaman, nefa dia nohajain'ireo Géorgiens ihany izy. Indray andro narary mafy, ambavahaonan'ny fahafatesana ny mpanjakavavy, ka i Nina no nanasitrana azy. Fanomezana marobe sy volamena no natolotr'io mpanjakavavy io ho azy ho valisoany tamin'izany, nefa nolaviny fa ny hany faniriany dia ny hibebehana'ilay mpanjakavavy hitodika amin'Andriamanitra. Nibebaka tokoa ity mpanajakavavy ity ary nanaraka azy toa izany koa ny mpanjaka vadiny sy ny olon'izy ireo tao amin'ny fanjakana. Niangavy tamin'ny patriarka tao Constantinople ny mpanjaka mba handefa eveka ho ao amin'ny fanjakany, i Nina kosa lasa nitoka-monina, ary amin'izao fotoana izao dia misy katedraly miorina eo amin'ny fasana nandevenana azy. Marihana fa ny Fiangonana Tatsinanana ihany koa dia manaja ity olomasina ity ny 14 janoary, ary toy ny mpitory ny Vaovao Mahafaly tamin'iny faritr'i Géorgie iny no fandraisana azy.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...