Alatsinainy 21 desambra 2020 — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45.

0 : 00

“Niainga i Maria”, niala teo amin’ny toerana nisy azy ka nankany an-toeran-kafa izay nisy an’i Elizabeta rahavaviny. Efa manakaiky ny Noely, andro vitsy sisa, mila manao toa an’i Maria isika : miainga ; koa efa niainga tokoa ve isika, raha ny fiainam-panahy no resahina, sa mbola mitokona amin’izay nisy antsika ihany ? Sao sanatria mbola tsy nanomboka ny Fiaviana akory ? Mila mihetsika, fa izany no ahalalana fa velona isika. Tsy ampy anefa ny mihetsika na izany aza fa mila mifindra toerana mihitsy, izany hoe : mila miainga ka mandroso amin’ny tsaratsara kokoa satria efa ho tonga ny Mesia, ka handray Azy Zanak’Andriamanitra isika. Izy Zanak’Andriamanitra lahitokana aza moa niala tany amin’ny toerana nisy Azy tany, nanaiky nidina tety an-tany ho famonjena antsika, fandeferana lehibe tsy misy toa an’izany, ka isika koa ve tsy hihetsika ohatran’izany, handray Azy ?

Tohizantsika ny ao amin’ny Evanjely : “Ka nandeha haingana” i Maria ho any amin’ny rahavaviny. Efa niaraka taminy i Jesoa, na mbola tao ambohoka aza. Rehefa momba an’Andriamanitra ve ny ataontsika mba mandeha haingana sa tsy rototra akory, na midororororo, sa variana atsy sy aroa ? Miseho izany rehefa mankany am-piangonana, rehefa mivavaka na koa mandray anjara amin’ny asam-piangonana, toy ny mamafa fiangonana, na amin’ny fivoriana na fiofanan’ny fikambanana, na filan-kevitra… Ny zava-mitranga matetika rehefa an’Andriamanitra tsy rototra isika fa raha zavatra hafa toa mailaka ery ! Tsy mety izany fa mila ahitsy sy amboarina.

Ankoatra izay, fifampizarana hafaliana ny azy mirahavavy eto, i Maria sy Elizabeta ; fa isika kosa rehefa tafaraka mba resaka toy inona no fanaontsika ? Sao lahy variana amin’ny resaka kifosafosa fotsiny, ka mahafotsy varavarana ny sasany ! Resaky ny mpanetsa ve ? Sa resaky ny mpisampina na mpisikina, resaky ny mpantsaka ve sa resaky ny zatovo ? Resaky ny mpandany andro sa resaka mandany jiro ? Resaky ny bandy tafaraka ve ka ampiraisin’ny vera fa sarahin’ny vehivavy ? Sa resaky ny mpiray birao na mpiray afera ? Koa amin’izao Noely antomotra izao, ilaina ny mifampiresaka ny fiaviany, tsy ho amin’ny fitafy na hanina amam-pisotro ihany fa indrindra ny mandinika ny mistery fahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo eo anivontsika. Koa efa vonona tsara ve isika ? manao ahoana ny konfesy sy ny ezaka tratrarina amin’izao Noely izao ? Hanampy antsika handavorary izany i Masina Maria sy i Masimbavy Elizabeta rahavaviny mba hanomana tsara ny fontsika handray ny Mesia. Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...