16 desambra — I Alice sy Adélaïde dia olona iray ihany. Mpanjakavavy niaina tamin'ny taonjato fahafolo izy io. Teraka tao Orba ny taona 931 i Alice. Zanaky ny mpanjaka Rodolphe II tao Bourgogne izy sy i Berthe avy any Souabe. Ny taona 647  izy no nanambady an'i Lothaire, mpanjaka tao Italie.

Telo taona tao aorin'izay dia maty tamin'ny ady nifanaovany tamin'i Bérenger II, io vadin'i Alice io. Nogadrain'i Bérenger II i Alice ary nalainy fahefana. Afaka nandositra ary niantso vonjy tamin'i Otton I, mpanjakan'i Germanie, i Alice. Io no nanala an'i Bérenger tamin'ny fanjakana ny septambra 951. Nanintona an'i Otton I ny hatsara-tarehin'i Alice ka nangatahany ho vady io ny 962, I Otton rahateo, efa hatramin'ny taona 946 no maty vady. Ny papa Jean XII no nanmetraka azy ireo teo amn'ny fiketrahana maha mpanjaka azy, tao Roma.

I Alice izany no impératrice voaloany ho an'ny fanjakan'ny amperora romain germanique. Na dia mpanjaka aza izy dia tsy nataony ho ambin-javatra ny maha vady sy ny maha reny azy tao an-tokantrano, nanan-janaka telo izy ireo. Nataony laharam-pahamehana ihany koa ny fanompoana ny Fiangonana sy ireo olona sahirana. Izy no nampirisika ny fanavaozana sy ny fampivoarana ny trano fitokana-monina tao Cluny. Rehefa maty ny amperora Otton I, ny mey 973, dia izy no nitondra ny fanjakana hatramin'ny taona 978, ary noraisin'i Otton II zanany, ny fitondrana avy eo. Maty koa anefa i Otton II ny taona 983, ka mandram-pahalehiben'i Otton III, zafikeliny ho feno taona hitondra ny fanjakana, dia i Alice indray no nitantana izany hatramin'ny taona 995. Nasehony tamin'ny fotoana nitondrany fa mpitondra fanjakana mahay izy, ary matotra sy kristianina. Ny fanajana ny rariny no nimasoany, ary nojereny akaiky ireo farahidiny. Fotoana sarotra ho azy izany nitondrana ny fanjakana izany, ary nitondrany fitsapana sy fijaliana mafy, nefa ny heriny sy hatsaram-panahiny nifaka tamin'ny finoana no nandreseny ireo olana ireo. Rehefa feno taona i Otton III, dia nitoka-monina tany Seltz izy, toerana naoriny ihany koa io, ary tany izy no nodimandry ny 16 desambra 999.

[Miara-dàlana] Zoma 7 febroary 2025

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...