Alahady 28 febroary 2021 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako : henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 2-10
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay". Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany: "Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly. Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray. Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’ Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’ Lazaiko aminareo fa itý no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra."
Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa sy nanontany Azy hoe: "Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?" Ary i Jesoa namaly azy hoe: "Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia itý: Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra, sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. Ary itý no faharoa mitovy aminy koa: Tiavo ny namanao, tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo." Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: "Tsara izany, ry Mpampianatra. Marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy, ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra, sy amin’ny fanahy rehetra, ary amin’ny hery rehetra, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra." Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: "Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao." Ary hatramin’izay, dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa, nandroaka demony ary moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka; fa ny sasany tamin’izay teo nanao hoe: "I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy. Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: "Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano; ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony. Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha lehilahy matanjaka sy ary fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra; fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany, tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia "i" iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra."
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Piera, ka nanao hoe: "Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?" Dia hoy i Jesoa taminy : "Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito. Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy nanao hoe: ‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’ Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‘Aloavy ny trosako any aminao.’ Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: ‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’ Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy, ka nilazany hoe: ‘Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?" Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo."
Tamin’izany andro izany, raha tonga tany Nazareta i Jesoa, dia niteny tamin’ny vahoaka tao amin’ny sinagôga nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà tany amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza fa i Naamàna Sirianina ihany." Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.
Akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa. Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: "Esory eto ireto, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko". Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko. Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe: "Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?" Dia namaly i Jesoa nanao hoe: "Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana". Ka hoy ny Jody: "Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e". Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy. Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo. Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony; nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy, sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
Tamin’izany andro izany, nanatona hihaino an’i Jesoa ny poblikanina sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy." Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe: "Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy.’ Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rahefa laniny avokoa ny fanany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: ‘Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa itý maty noana atý! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho.’ Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy itý zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony.’ Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony: ‘Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjòy azy, asio peratra ny rantsan-tanany, kiraròy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa itý zanako itý dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.’ Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: ‘Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy rainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy.’ Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: ‘Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fananany tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy.’ Fa hoy rainy taminy: ‘Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.’"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: "Mihainoa itý fanoharana hafa itý koa ianareo: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka, namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy. Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. Nony farany, dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako izy.’ Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‘Itý ny mpandova, andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.’ Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. Koa rahefa tonga ilay tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa zany mpiasa izany?" Hoy ireo taminy: "Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy." Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin’izany, ka nitady hisambotra Azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.
Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Farisianina nanao hoe: "Nisy mpanankarena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan'andro. Ary nisy koa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny. Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin'ny latabatr'ilay mpanankarena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra ka nentin'ny anjely tany an-tratran'i Abrahama; dia maty koa ilay mpanankarena ka nalevina. Tao amin'ny fitoeran'ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany, ka niantso izy nanao hoe: 'Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin'itý lelafo itý.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Anaka, tsarovy fa tamin'ny andro niainanao, ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. Sady amin'ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala atý hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atý.' Dia hoy izy: 'Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy ny marina, fandrao tonga amin'itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Manana an'i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an'ireo izy.' Fa hoy izy: 'Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin'ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Raha tsy mihaino an'i Môizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangan-ko velona aza.'"
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco