Alahady 28 febroary 2021 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako : henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 2-10

Antsoina hanohy amim-pitoniana ny làlana makany amin’ny Paka isika mandritra izao Karemy izao. Zava-mitranga anankiroa, voarakitra ao anatin’ireo Tenin’Andriamanitra izay natolotra androany, no hanampy antsika hanatontosa izany dia masina hataontsika izany, dia ny tantaran’ny sorona nataon’i Abrahama sy ny fiovan-tarehin’i Jesoa tany an-tendrombohitra.

Tsy hilaozan’ny fahasahiranana ny dia ataontsika mankany amin’ny Paka, ary afaka manampy antsika ny oha-piainan’i Abrahama. Asaina isika mba hahafoy ny zavatra angatahan’Andriamanitra amintsika, toy ny nataon’i Abrahama izay nahafoy ny zanany lahitokana. Maneho ny finoana sy ny fahatokisana an’Andriamanitra, Ilay nampanantena famonjena antsika amin’alalan’i Jesoa Kristy Zanany, mantsy izany fihetsika izany. Noho izany ny olona matoky an’Andriamanitra sy izay malala-tànana ihany no afaka hamakivaky ny Paka. Fa izany olona izany anefa, hoy i Masindahy Paoly Apôstôly, tsy hatahotra na iza na iza ary na inona na inona, satria mino izy, fa momba azy hatrany ny tànan’ny Tompo, Ilay efa naneho taminy ny fitiavany tamin’ny nanolorany an’Ilay Zanany lahitokana.

Manampy antsika hanjohy ilay làlana mankany amin’ny Pakan’i Kristy ihany koa ny fandinihana masina manoloana ny Fiovan’i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitra. Nambarany tamin’ny mpianany fa tsy maintsy mitondra ny hazofijaliana vao ho tonga any amin’ny Paka, ka ny Fiovany tarehy no manamarina sahady an’izany làlana tsy maintsy hodiaviny izany sy ny voninahitra miandry. Midika izany fa manazava antsika ny fandinihana an’io Fiovan-tarehiny io ; toy ny milaza amintsika hoe : “tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto” ; “aorian’ny orana, andro tony”.

Farany, ny fihainoana ny Tenin’i Jesoa Zanaka malalan’Andriamanitra araka ny voalazan’ilay feo avy any an-danitra ihany koa no hanampy antsika hamakivaky am-pitoniana ny Karemy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...