Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timote (1 Tim. 3, 1-13)

Ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny; toy izany koa ny Diakra: mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio.

Tena marina izao teny izao:
raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra,
dia maniry raharaha tsara indrindra izy.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny,
tsy nanam-bady, afa-tsy indray mandeha monja,
mahonon-tena,
hendry,
maotona sy mendrimendrika,
mampiantrano vahiny,
mahay mampianatra,
tsy lian-divay,
tsy mikapoka, fa mandefitra,
tsy mpila ady,
tsy tia vola,
mahay mitondra ny ankohonany,
sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary;
fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany,
hataony ahoana ny fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?
Tsy zazavao amin’ny fivavahana,
fandrao dia mieboebo foana
ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.
Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa,
fandrao dia afa-baràka sy voan’ny fandriky ny demony.

Toy izany koa ny Diakra,
dia aoka ho olona maotona,
tsy miroa teny,
tsy lian-divay,
tsy tia harena foana,
mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio;
ary aoka hozahan-toetra izy aloha,
vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny.
Toy izany koa ny vadiny,
dia aoka ho olona manaja tena,
tsy mpifosa,
mahonon-tena,
mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
Aoka ny Diakra ho olona tsy nanam-bady afa-tsy indray mandeha,
sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.
Fa izay nahatontosa tsara ny raharahany,
dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany,
sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana
izay ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 100, 1-2ab. 2de-3. 5. 6

Ny fahamarinana no monina ato amiko.

Ny hatsaram-po sy ny rariny no fikàloko;
Ianao, ry Tompo, no fiàntsako!
Izaho mitandrina ny lala-madio,
ny fahamarinana no monina ato amiko!

Izaho miaina amim-po madio ao an-tranoko,
tsy mba mamorona fikasan-dratsy!
Ny mpihatsaravelatsihy dia halako,
tsy ekeko hiraikitra amiko!

Ny mpanebaka namana an-takona,
fongorako,
ny maso mianjona, ny fo miavona
levoniko mihitsy.

Ny masoko dia amin’ny mpino amin’ny tany
mba honenany eo anilako.
Ny mizotra amin’ny lala-madio
no mpanompoko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy,
ka nanao taminy hoe:

“Aza mitomany.”

Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja,
ary hoy i Jesoa:

“Ry zatovo,
Izaho mandidy anao, mitsangàna.”

Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”

Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra
izany teny fankalazana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masinday Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 2, 1-8)

Manaova vavaka ho an’ny olona rehetra, amin’Ilay Andriamanitra tia ny hahavoavonjy ny olon-drehetra.

Ny angatahiko voalohany indrindra,
dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana,
ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny manam-pahefana rehetra,
mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana,
amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.
Izany no tsara sy ankasitrahana eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra,
sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
Fa iray monja Andriamanitra,
ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona,
dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
izay nanolotra ny tenany ho avotry ny olombelona rehetra:
zavatra voambara tamin’ny fotoany izany,
ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly
ary ho mpampianatra ny jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana;
milaza ny marina aho fa tsy mandainga.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza,
manandra-tanana madio,
tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 27, 2. 7. 8-9

Isaorana ny Tompo nihaino ny feoko mihanta.

Henoy ny feoko mihanta,
fa miantso Anao aho,
manandra-tanana
mitodika ny Toeranao Masina.

Ny Tompo no heriko sy ampinga
itokian’ny foko.
Notahìny aho, ka mibitaka ny foko,
ka velon-kira aho misaotra Azy!

Izy no Mpamonjy ny Voahosony!
Tompo ô! vonjeo, ny vahoakanao!
Tsofy rano ny Lovanao!
Andraso izy ireo, ary ento an-trotroana mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)

Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka,
dia niditra tao Kafarnaôma.
Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa,
narary efa ho faty.
Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny,
dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy
mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.
Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo,
dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe:

“Mendrika hanaovanao izany izy,
fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”

Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa.
Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy
dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny
hilaza aminy hoe:

“Tompo ô,
aza dia misahirana toy izao re,
fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho;
ary na dia ny tenako aza
dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory,
fa manonòna teny iray monja,
dia ho sitrana ny ankiziko.
Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa,
ka ny anankiray ilazako hoe:
‘Mandehana’, dia mandeha;
ny anankiray ataoko hoe:
‘Avia’, dia avy;
ary ny mpanompoko koa hoe:
‘Ataovy izany’, dia manao izy.”

Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho,
na dia tamin’i Israely aza.”

Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka,
dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Sir. (Ekl.) 27, 30 - 28, 7)

Avelao ny nataon’ny namana tsy an-drariny, dia havela ny fahotanao raha mifona ianao.

Mendrika hankahalaina ny lolom-po amam-pahatezerana,
ary manana izany ny mpanota.
Izay mamaly ratsy,
dia hiharan’ny fanahin’Andriamanitra,
izay hitahiry fatratra ny fahotany.
Avelao ny nataon’ny namana tsy an-drariny,
dia havela ny fahotanao, rehefa mifona ianao.
Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin’olon-kafa,
nefa mangataka fanasitranana amin’Andriamanitra ho an’ny tenany.
Tsy mamindra fo amin’ny olombelona namany izy,
nefa mitaraina noho ny hadisoan’ny tenany.
Izy izay nofo foana mitahiry lolom-po;
ka zovy indray no hahazo ny famelana ny fahotany?
Tsarovy ny hiafaranao, ka atsaharo ny fankahalana;
tsarovy ny hahalovana amam-pahafatesana
ary tandremo ny didy.
Tsarovy ny didy ka aza manao an-dolom-po amin’ny namana;
tsarovy ny faneken’ny Avo indrindra
ary modia tsy mahita ny fanevatevana anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 102, 1-2. 3-4. 9-10. 11-12

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.

Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no ahatezerany,
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Tahaka ny lanitra mambomba ny tany,
ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy.
Tahaka ny atsinanana lavitra ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm, 14, 7-9)

Ho an’ny Tompo isika na velona na maty.

Ry kristianina havana,
tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra,
na misy maty ho an’ny tenany;
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo;
maty koa, maty ho an’ny Tompo.
Koa amin’izany, na velona na maty isika,
dia ho an’ny Tompo ihany.
Satria i Kristy no maty sy velona indray,
dia ny haha-Tompon’ny maty sy ny velona Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe:

“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny namako
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito,
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany,
ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany,
mbamin’ny fananany rehetra,
mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo,
ka nifona taminy nanao hoe:

“Mba omeo andro aho,
dia haloako daholo ny anao rehetra.”

Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo ity mpanompo namany anankiray
izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io
ka nokendainy nataony hoe:

“Aloavy ny trosako any aminao!”

Niankohoka ilay namany,
dia nifona taminy nanao hoe:

“Mba omeo andro aho,
dia haloako ny anao rehetra.”

Nefa tsy nety izy,
fa lasa nampanao azy an-tranomaizina,
ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe:

“Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko;
ka moa tsy tokony hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?”

Dia tezitra ny tompony,
ka natolony ny mpampijaly izy,
ambarapandoany ny trosa rehetra.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hotanterahana ny 23 ka hatramin'ny 26 aogositra 2024 any Antsiranana ny Kôngresy Eokaristika fahatelo iombonan'ny Nosy eto Madagasikara... ♦ Manentana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hikatsaka hatrany ny fandriampahalemana ny Fiombonan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Afrika sy Madagasikara... ♦ Manao fitsidihana any Chine i Mgr Zuppi, Iraka manokan'ny Papa François...

Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Notsofin-drano ny alahady 10 septambra 2023 ny fiangonana Olontsambatra Jacques Désiré Laval, ao Sahavôla Fenoarivo-Atsinanana... ♦ Notanterahina tao amin'ny diosezin'Antsiranana nandritra ny telo andro ny "Festival Diaconie de la beauté"... ♦ Nitsidika ny Papa François ny 11 septambra 2023, i Baselios Marthoma Mathews III, Metrôpôlitan'ny Eglizy malankara ortôdoksa ao Syrie...

♦ Novisy 17 mirahalahy no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco tao amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux ny 08 septambra 2023... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, ny talata 05 septambra 2023 ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, voatendry ho Evekan'Antsirabe... ♦ Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa momba ny fikarohana ara-pitsaboana tao Vatican, ny tompon'andraikitry ny Hôpitaly Bambino Gésu, ny Hôpitaly Gemelli Isola Toberina, ny Fondation Policlinico Gemelli ary ny Oniversite katôlika Fo Masin'i Jesoa...

Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Raiso ho antson'Andriamanitra ny fikatrohana ao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo, hoy i P. Pierre Marcial Rakotomahefa, tamin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Ankalazao ny Tompo... ♦ Nanentana ny tanora hihazakazaka hitondra an'i Jesoa tsy amin-tahotra eo amin'ny fiainana, i Mgr Alfredo de Nobrega, tamin'ny famaranana ny JMJ Diôsezy faha-7, tao Mananjary... ♦ Nifarana androany ny famangiana apôstôlika nataon'ny Papa François tao Mongolie...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 15-17)

Tonga tetý an-tany Izy, hamonjy ny mpanota.

Teny marina tokoa sy mendrika hitokiana indrindra izao:
Tonga tetý an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota,
ary izaho no lohany indrindra aminy;
fa izany indrindra no nahazoako famindram-po,
dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha,
mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie,
dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana,
ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5a sy 6-7

Hisaorana anie ny Anaran’ny Tompo, hatrizao ka ho mandrakizay.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo.
Derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.

Tongava marain-tsy hariva:
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ka miondrika Izy mijery,
na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory,
esoriny avy eo ny mahantra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 43-49)

Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko; nefa tsy manao izay lazaiko.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy,
na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra;
fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo,
na voaloboka amin’ny voaroitsilo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara
avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony;
ary ny olona ratsy fanahy kosa
mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony;
fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko,
nefa tsy manao izay lazaiko?
Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy
ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:
tahaka ny olona anankiray manao trano izy,
izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy,
ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany,
nefa tsy nampihontsona azy akory izany,
satria tsara orina tambony vatolampy izy.
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka,
dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony
eo ambonin’ny tany tsy àry fototra,
ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay,
ary loza ny faharavan’izany trano izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 1-2. 12-14)

Mpiteny ratsy aho fahiny, saingy nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy,
araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
sy i Jesoa Kristy fanantenantsika,
mamangy an’i Timôte, tena zanako amin’ny finoana:
ho aminao anie ny fahasoavana, sy famindram-po amam-piadanana,
avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho,
fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny,
sady mpanenjika sy mpanao an-keriny;
kanefa nahazo famindram-po aho,
satria tsy fahalalana no nanaovako izany,
noho izaho tsy mbola nanam-pinoana,
fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana
izay ao amin’i Kristy Jesoa,
dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 15. 7-5. 11

Ianao re, ry Tompo, no zara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno
fa Ianao re no hany hifefeko.
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.

Ka isaorako, Tompo, Ianao
fa nanolotra saina, fanahy.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy.

E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany.
Ho finaritra mandrakizay,
izay mitoetra eo ankavananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)

Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin’ny mpianany:

“Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va?
Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra,
fa izay mpianatra tapi-pianarana
no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?
Ary ataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe:

‘Ry rahalahy,
aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’

nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao?
Ry mpihatsaravelatsihy,
esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao;
izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka
amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 12-17)

Mitafia ny fitiavana izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny Salamo aman-kira fiderana,
mbamin’ny tononkira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6

Ny manana aina rehetra, aoka hidera ny Tompo!

Derao Andriamanitra any an-toerany masina!
Derao Izy any amin’ny habakabany mahery!
Derao Izy noho ny fahefany tsy toha!
Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!

Derao Izy amim-peon’anjomara!
Derao Izy amim-baliha sy lokanga!
Derao Izy amin’amponga sy dihy!
Derao Izy amin-jejy sy sodina!

Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana!
Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna!
Ny manana aina rehetra
aoka hidera ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo
ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray,
dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao,
aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao,
dia aza mitaky izany aminy intsony.

Izay tianareo hataon’ny olona aminareo,
no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo,
fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany,
mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo,
ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra,
sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...