♦ Lahika manodidina ny 900 avy amin’ny Diôsezy 16 no nanatrika ny fankalazana ny andron’ny lahika nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 septambra, tao amin’ny Diosezin’ny Mananjary... ♦ Nikarakara hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana ny fandaharan’asa PCEE avy eo anivon’ny ivon-toerana Arrupe Faravohitra... ♦ Fitiavana maimaim-poana tsy misy tambiny no itiavan’Andriamanitra antsika. Io no votoanton’ny fampianaran’i Papa François nandritra ny Angelus omaly...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 9, 5-9)

Tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozana ny Andriamanitray.

Izaho Esdrasa,
efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako;
ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra,
dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho
nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:

“Andriamanitro ô,
safo-kenatra sy mangaihay loatra aho,
tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro,
fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay,
ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany,
dia efa meloka loza erý izahay;
ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay,
ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa,
ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Nisy andro anefa
nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay,
dia navelany hisy sisa afaka izahay,
ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina,
mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay,
sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay.
Fa andevo izahay,
nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray.
Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy,
hamelombelona ny ainay,
mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo,
dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8

Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra!
Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!

Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy!
Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika,
Raintsika amin’ny taona rehetra.

Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.

Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!

Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota:
“Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany:
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)

Nirahiny izy ireo hitory ny fanjakan’ny lanitra sy hanasitrana ny marary.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra
sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:

“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano
ho fiampangana azy ireo.”

Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 6, 7-8. 12b. 14-20)

Noravahan’izy ireo ny tranon’ny Tompo, dia nataony ny Paka.

Tamin’izany andro izany,
nanoratra tamin’ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano
i Dariosa mpanjaka nanao hoe:

“Avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra;
aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody
hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.
Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody,
hanorenana indray ny tranon’Andriamanitra io:
ny haren’ny Mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony,
no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
Didy nomeko izaho Dariosa itý;
ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”

Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely,
ka nandroso tsara ny asa,
noho ny faminanian’i Akjea mpaminany,
sy i Zakaria zanak’i Adao.
Nanao izy dia nahavita araka ny didin’Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa,
i Dariosa, i Artakserksesa mpanjakan’i Persa.
Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,
taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.
Ary ny zanak’i Israely, ny mpisorona, ny Levita,
ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana,
dia samy nitokana ny Tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io:
ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak’ondry efa-jato
ary osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny fokon’i Israely,
ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy,
sy ny Levita araka ny fizarany avy,
hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema,
araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môizy.
Tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany,
dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.
Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka,
ka samy efa madio avokoa.
Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra,
sy ho an’ny rahalahiny mpisorona, ary ho an’ny tenany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5

Faly aho nilazana hoe: andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Faly aho nilazana hoe:
andao ho any an-tranon’ny Tompo;
ny tongotray indro mijadona
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.

Ry jerosalema ilay voaorina
ho tanàna tsara rafitra,
hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’ny Tompo.

Fa didy, ry Israely,
ny midera ny Anaran’ny Tompo;
ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana,
ny fiketrahan’ny tranon’i Davida.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

Ny reniko sy ny havako dia ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy manatanteraka azy.

Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:

“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”

Dia novaliany hoe:

“Ny reniko sy ny rahalahiko,
dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nosokafana androany ary haharitra 3 andro ao Mahajanga ny fihaonan’ny fikambanana masina hivondronan’ny tokantrano kristianina avy amin’ny Arsidiôsezy Avaratra… ♦ Nifantoka tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny kolontsaina sy ny fampanaraham-bolontany ny Evanjely ny votoatin’ny katesizin’ny Papa François ny alarobia 20 septambra 2023… ♦ Nanomboka androany ny fitsidihana apôstôlika faha-44 ataon’ny Ray Masina any Marseille…

Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 1, 1-6)

Aoka hiakatra any Jerosalema ny olona rehetra, na iza na iza, hanorina ny tranon’ny Tompo.

Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Jeremia:
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra,
hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy
ny fanjakana rehetra eto an-tany,
ary efa nandidy ahy Izy,
hanao trano ho Azy any Jerosalema, any Jodà.
Ka iza aminareo no vahoakany?
Homba azy anie ny Andriamanitr’izy ireo,
ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy,
ka hanao ny tranon’ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany,
na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io,
amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitra-po
hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.”

Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina,
ny mpisorona sy ny levita,
dia izay rehetra namporisihin’Andriamanitra ny fanahiny,
ka lasa nandeha hanao ny tranon’ny Tompo any Jerosalema.
Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy,
tamin’ny fanaka, volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy
ary zavatra saro-bidy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo,
mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay.
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay.

Takoritsika re izao nataon’ny firenena:
“Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!
Eny, lalina ho’aho itý nataon’ny Tompo aminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay.”

Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo.
Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana.

Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina avy any ireo velon-kira,
fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara, fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 6-9)

Ny fihevitro tsy fihevitrareo.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy.
Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka, amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo;
dia amin’Andriamanitra, fa mamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo, tsy mba lalako.
— Teny marin’ny Tompo. —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany,
no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 2-3. 8-9. 17-18

Eo anilan’izay rehetra miantso Azy ny Tompo.

Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo, ary mendri-dera fatratra;
tsy takatry ny saina ny halehibiazany.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 20d-24. 27a)

I Kristy no velona ato amiko.

Ry kristianina havana,
homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy,
na velona aho na maty.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako,
ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho,
dia ho fahavokaran’ny asako izany,
ka tsy hitako izay hofidiko,
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho:
ny handeha ho any amin’i Kristy moa,
iriko sy tsara lavitra;
nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa
no ilaina kokoa noho ny aminareo.
Fa izao ihany e:
manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Sa ratsy ny masonao, satria tsara aho?

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka maraina koa
hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.
Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja;
ka hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko,
fa homeko anareo izay antonony’.

Dia nankany ireo.

Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana,
dia hoy izy taminy:

‘Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?’

Fa hoy ireo taminy:

‘Satria tsy nisy nanakarama anay’.

Dia hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko’.

Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanimboloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:

‘Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany;
aseseo avy aty amin’ny farany,
ka hatrany amin’ny voalohany’.

Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany,
dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy
dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe:

‘Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro’.

Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo:

‘Ry sakaiza,
tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehàna,
fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho?
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?’

Dia ho toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny safidy dia lalàm-piainana. Safidinao ny hiaina ny fahamarinana sy ny hahatsara ny fiainanao. Safidy ny hahatsara sy izay mba hanana ankohonana. Ny safidy dia mahatonga ny olona iray ho tompon'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny 20 aogositra 2023 no nanononan'i Frera Razafimandimby Michel Fabrice ny voady mandrakizay maha Salezianina azy. Ny lehibem-pikambanana eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy, i Mompera Bizimana Innocent no nitarika ny lamesa tao amin'ny Paroasy Masindahy Joany Bosco Ankofafa Fianarantsoa. 

♦ Tontosa omaly ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ho Evekan'Antsirabe... ♦ Ny famelan-keloka no rivotra mamelona, manadio ny rivotra voaloton'ny fankahalana, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarany nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Tsy amin'ny fampiasan-kery na amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana no hanorenana ny ho avy, fa amin'ny alalan'ny halemem-panahy, hoy ny Papa François, nandritra ny fihaonany, tao Roma, tamin'ireo vondron'olona mpino avy any Corée Atsimo, ny 16 septambra 2023...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 6, 13-16)

Tahirizo tsy hisy pentina ny didy hatramin’ny fisehoan’ny Tompo.

Ry malala,
izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra,
mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa,
izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:
tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy,
hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany,
dia ilay Andriamanitra sambatra,
Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana,
mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina,
tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy,
ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra:
fa Azy isika satria noarìny,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera:
derao Izy Tompo; ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo!
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)

Ireo latsaka amin’ny tany tsara no izay mitandrina ny teny ka mamoa amin’ny faharetana.

Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa,
dia nanao fanoharana Izy hoe:

“Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka
no notsindrohin’ny voro-manidina;
ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka,
nefa nalazo satria tsy nisy mando;
ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo,
dia voagejany;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry,
dia namoa injato heny.”

Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe:

“Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany,
ka izao no navaliny azy:

“Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy,
mba hijery izy fa tsy hahita,
ary handre fa tsy hahafantatra.
Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany:
Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra.
Ireo teny an-dalam-be no izay nandre,
fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony,
sao mino izy ka ho voavonjy.
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana,
nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana,
fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre,
fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena
ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.
Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa
no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim 6, 2d-12)

Aoka ianao, ry olon’Andriamanitra, hikatsaka fahamarinana.

Ry malala,
fantatrao izay tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona.
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany,
ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika,
sy ny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
dia olona mpieboebo foana izany,
sy tsy mahalala na inona na inona,
fa adalan’ady hevitra aman’ady teny,
izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana,
fiahiahian-dratsy, fifanoherana tsy misy farany,
fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana,
ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka omban’ny fianìnana;
satria tsy nitondra na inona na inona isika
no niditra tamin’izao tontolo izao,
ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:
koa rahefa manan-ko hanina sy hitafiana,
dia aoka hianina amin’izany.
Fa izay te-hanan-karena,
dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy
sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza,
izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,
ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana,
sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra,
handositra izany zavatra izany,
fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka,
finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana,
ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao,
sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 6-7. 8-10. 17-18. 19-20

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.

Nahoana aho moa no hatahotra loza
hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony?
Ireo fahavaloko mirehareha,
fa manana ka manontany ny ory.

Fa angaha misy olona maha-avo-tena,
na hoe afa-mahaloa tamby amin’ny Tompo?
Satria lafo loatra tokoa ny avotr’aina,
tsy voavidim-bola na oviana na oviana.

Raha misy misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy
hankaiza ny fahamboniany?

Endrey izany lazany teo aloha
nohasohasoiny any an-tampon-doha.
Izao tafaray amin’ny Razany izy,
tsy hahita mazava mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)

Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny aretiny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany
nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa
izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 4, 12-16)

Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao: hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao ianao.

Ry malala,
aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao,
fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao,
amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana,
amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Mandra-piaviko,
milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana.
Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao,
izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro
mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.
Diniho izany zavatra izany,
ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo,
mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao
ary mahareta tsara amin’izany,
fa raha manao izany ianao,
dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 7-8. 9. 10

Lehibe ny asan’ny Tompo.

He marina sady mahitsy ny Tompo.
Ka ny lalany azo itokisana.
Marim-pototra tsy mba mikoro
ka maharitra mandrakizay.

Nandray famonjena ny olom-boafidy.
Fanekem-baovao no iorenany,
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny masina ny Anarany.

Ny tahotra santatry ny fahendrena,
izay manoa ny Tompo ho velona.
Ka ho feno ny fahalalana.
Tsisy fetra ny lazan’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)

Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy,
ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy,
dia nipetraka nihinana.
Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna
nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa
ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,
dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany
ka kotsan’ny ranomasony ny tongony,
fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany,
ary nohosorany diloilo manitra.

Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy,
dia nanao anakampo hoe:

“Raha mpaminany Izy
dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy,
fa hoe mpanota io.”

Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe:

“Ry Simôna,
misy zavatra holazaiko aminao.”

Dia hoy izy:

“Lazao, ry Mpampianatra.”

Ary hoy i Jesoa:

“Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa,
ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo.
Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa,
dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy.
Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?”

Dia hoy i Simôna namaly Azy:

“Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.”

Ary hoy Izy taminy:

“Marina ny anao.”

Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe:

“Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho,
fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra,
izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony
sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Ianao tsy nanoroka Ahy,
izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.
Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako,
izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.
Noho izany dia lazaiko aminao
fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy;
fa izay amelana kely no kely fitiavana.”

Dia hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Voavela ny helokao.”

Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe:

“Iza moa itý
no mamela na dia ny heloka aza?”

Fa hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Ny finoanao no nahavonjy anao,
mandehana amim-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...