♦ Miantso ny HCC, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Rohy, mba hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidim-bahoaka, ka tsy hitanila amin'ny famoahany ny voka-pifidianana... ♦ Mpiadina 529.000 no hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, rahampitso... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny mpiasa Malagasy nentina tany Genève, ireo mpitarika sendikà, telo andro aty aorian'ny fivoriamben'ny OIT. Niresaka momba ity tranga ity ihany koa ny FISEMARE androany...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240617.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...