Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 24, 8-17)

Nentin’ny mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna i Jôasîna sy ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.

Valo ambin’ny folo taona i Jôasîna fony nanjaka,
ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema.
Ny anaran-dreniny dia Nohestà zanak’i Enatàna avy ao Jerosalema.
Nanao izay ratsy eo imason’ny Tompo araka izay rehetra nataon-drainy izy.

Niakatra hamely an’i Jerosalema ny mpanompon’i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna tamin’izany,
ka nanao fahirano ny tanàna.
Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony
no tonga teo anoloan’ny tanàna koa i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna.
Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna
i Jôasîna, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny,
ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonokany,
dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy,
tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao amin’ny tranon’ny Tompo
sy ny rakitra tao an-tranon’ny mpanjaka,
ary novakìna daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’ny Tompo,
araka izay efa voalazan’ny Tompo rahateo.
Nentina ho babo avokoa Jerosalema manontolo,
ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra,
dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin’ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy;
ny olo-mahantra tao amin’ny tany ihany no sisa tafajanona.
Nentina ho any Babilôna i Jôasîna,
nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka,
ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonokany, ny olo-malaza amin’ny tany.
Fanampin’izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo,
mbamin’ny mpanao taozavatra sy manefy vy arivo lahy,
samy lehilahy mahery sy mahay miady,
dia nentin’ny mpanjakan’i Babilôna daholo.
Ary ny natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka hisolo an’i Jôasîna,
dia i Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe Sedesiasa ny anarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 78, 1-2. 3-5. 8. 9

Afaho izahay, ry Tompo, noho ny Anaranao!

Andriamanitra ô! tongan’ireo firenena ny lovanao!
Nolotoiny ny Tempolinao Masina!
Ary i Jerosalema
nataony korotam-bato!
Ny fatin’ny mpanomponao
nomeny ho sakafon’ny voromanidina;
ny nofon’ny mpivavaka aminao
natsipiny ho an’ny bibidia!

Ny rany nataony mandriaka toy ny rano manodidina an’i Jerosalema!
Ary tsy misy mandevina!
Zary faneson’ny mpifanila aminay izahay,
sy fanakora sy fandatsan’ireo manodidina!
Mandra-pahoviana, ry Tompo, no hahaviniranao,
sy hiredaredan’ny hasaro-piaronao?

Aza dia tsarovana hamelezana anay
ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana:
fa reraka loatra izahay.
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy:
noho ny voninahitrao!
Afaho izahay, avelao ny otanay;
noho ny Anaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 21-29)

Ao ny trano miorina ambony vatolampy; ao ny miorina ambony fasika.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo,
no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe:
Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay?
ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay?
moa tsy efa nanao fahagagana tamin’ny Anaranao va izahay?
Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe:
Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana;
mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy,
dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy;
ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany,
nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.
Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy,
dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika;
ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany,
dia nianjera izy ka loza ny faharavany.”

Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany,
dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...