♦ Nankalazaina tamin'ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Masera dimy mirahavavy ao amin'ny fikambanana Fo Masin'i Jesoa no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana, ny sabotsy lasa teo... ♦ Mamafy ny Evanjely, ary miandry amim-pitokiana ny fitombon'ny voa nafafy, io no nivoitra tamin'ny fampianaran'ny Papa François mialoha ny vavaka Angelus omaly...

[audio src="/images/sounds/mdl-20240617.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...