Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 2, 1a. 12-22)

Aoka hohelohintsika amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy.

Tamin’ny faniasiavan’ny sainy no nifampilazan’ireo ratsy fanahy hoe:

“Ifanakony ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika,
manìny antsika amin’ny fandikantsika ny lalàna
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra
amin’izay nampianarana antsika.
Mihambo ho manana ny fahalalana an’Andriamanitra izy,
ary hataony hoe zanak’Andriamanitra ny anarany.
Faniniana ny hevitsika izy ho antsika
ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;
satria tsy mba tahaka ny an’ny olon-kafa ny toe-piainany
ary ny lalany hafahafa.
Araka ny heviny, isika dia faikan-java-maloto foana,
ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto:
ny anjaran’ny marina, torìny ho tsara miafara;
ary mirehaka ho manana an’Andriamanitra ho rainy izy.
Aoka ho zahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy,
eo am-pialana amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina,
dia arovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.”

Izany no hevitr’izy ireo;
diso hevitra anefa izy;
fa jamban’ny haratsiany.
Tsy mahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy,
tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana;
ary tsy mino fa hisy valisoa ho an’ny fanahy madio.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 33, 17-18. 19-20. 21 sy 23)

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo.

Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo.
Ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.

Ny taolany ambenany avokoa,
ka tsy ahatapahana iray akory.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy izay mifefy aminy!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay..

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)

Nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa mbola tsy tonga ny fotoany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea,
satria nitady hahafaty Azy ny Jody.
Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay.
Kanjo nony lasa ny rahalahiny,
dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy,
saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.
Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe:

“Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?
Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io,
ka no tsy misy sahy miteny Azy akory?
Sao dia efa fantatry ny loholona kosa
fa io no i Kristy?
Ny niavian’Izy io anefa fantatsika;
fa ny hiavian’i Kristy kosa
tsy misy hahalala rahefa tonga Izy.”

Dia niantso àry i Jesoa
tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly
ka nanao hoe:

“Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako.
Nefa tsy tonga ho Ahy Aho,
fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.
Izaho no mahalala Azy,
satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.”

Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona,
kanefa tsy nisy sahy nitana Azy,
satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 32, 7-14)

Ialao ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

“Mandehana midina ianao fa nanao ratsy be vava
ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.
Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombany;
nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo,
dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy,
ary nanao hoe:

‘Ry Israely, io no andriamanitrao,
izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.’

Dia hoy indray ny Tompo tamin’i Môizy:

“Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io.
Koa ankehitriny avelao Aho,
aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko;
fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.”

Nifona tamin’Andriamanitra Tompony anefa i Môizy ka nanao hoe:

“Nahoana ny fahatezeranao, Tompo ô,
no dia hirehitra amin’ny vahoakanao,
izay navoakanao avy any amin’ny tany Ejipta,
tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery?
Nahoana no dia hahazoan’ny Ejipsianina hilaza hoe:

‘Ny namoahany azy dia mba hampidi-doza aminy,
mba hamono azy any an-tendrombohitra,
ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany.’

Koa ialao re ny fahatezeranao mirehitra;
aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao.
Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao
izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny tenanao hoe:

‘Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo
ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany,
ka hanjakany mandrakizay.’

Dia nanenenan’ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 105, 19-20. 21-22. 23)

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombalahy homana ahitra!

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra tany an-dRiakan-jozoro.

Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanohana ny havinirany tsy hahavoa.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)

Ao ny hiampanga anareo, dia i Môizy izay itokianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Raha Izaho ihany no manambara ny tenako,
tsy marina ny fanambaràko;
fa misy hafa izay manambara Ahy,
ary fantatro fa marina ny fanambaràny Ahy.
Naniraka tany amin’i Joany ianareo,
ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambaràna avy amin’olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambaràna manoatra an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.
Ary ny Ray izay naniraka Ahy
dia Izy indrindra no nanambara Ahy.
Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana,
na nahita ny tarehiny,
sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo,
noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.
Mandinika ny Soratra Masina ianareo,
satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay,
ary ireny indrindra no manambara Ahy;
nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana.
Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona;
fa fantatro ianareo,
fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo.
Avy Aho amin’ny anaran’ny Raiko,
nefa tsy noraisinareo;
raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany anefa,
dia horaisinareo ihany izy.
Hataonareo ahoana kosa moa no fino?
Koa aminareo samy ianareo no ilanareo ny voninahitrareo,
fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona!
Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray;
ao no hiampanga anareo, dia i Môizy, izay itokianareo.
Fa raha mba nino an’i Môizy ianareo,
dia hino Ahy koa;
satria nanoratra nanambara Ahy izy.
Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo,
hataonareo ahoana no fino ny teniko?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 49, 8-15)

Nanangana anao ho faneken’ny firenena Aho, hanandratra indray ny tany.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho,
ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena,
niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena,
hanandratra indray ny tany, hizara ny lova nosimbana;
hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe:

‘Mivoaha’,

sy amin’izay ao anatin’ny haizina hoe:

‘Mankanesa aty amin’ny mazava.’

Hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana,
ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;
tsy ho noana izy na hangetaheta,
tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro.
Fa Ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo,
sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.
Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra;
ary hasandratra indray ny lalako.
Indreo ny sasany avy lavitra;
indreo ny sasany avy any Avaratra sy avy any Andrefana,
ary indreo koa ireo avy amin’ny tanin’ny Sinima.
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra;
miontàna, ry tany!
Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra!
Fa ny Tompo efa nampionona ny vahoakany,
sy nangoraka ireo izay nampahoriana!

Hoy i Siôna:

‘Nafoin’ny Tompo aho; hadinon’ny Tompo aho!’

Hanadino ny taizany va ny vehivavy,
ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony?
Na hanadino aza ny reny,
Izaho tsy mba hanadino anao!”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 144, 8-9. 13de-14. 17-18)

Antra sy mangoraka ny Tompo.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo,
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Tompo manohana izay rehetra ho lavo,
sy mampitraka izay mitanondrika!

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)

Toy ny ananganan’ny Ray ny maty sy amelomany azy, no ameloman’ny Zanaka izay tiany.

Tamin’izany andro izany,
nanenjika an’i Jesoa ny Jody
satria nanasitrana tamin’ny andro sabata Izy.
Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny,
ary Izaho koa miasa.”

Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody,
satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy
no nilaza fa Rainy Andriamanitra,
ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.

Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny,
ka hoy Izy tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina aminareo:
Tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy ny Zanaka,
afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray;
ary izay rehetra ataon’ny Ray
dia ataon’ny Zanaka koa.
Fa tia ny Zanaka ny Ray,
ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny tenany,
ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy,
mba ho gaga ianareo.
Fa toy ny ananganan’ny Ray sy amelomany ny maty
no ameloman’ny Zanaka izay tiany koa.
Ary ny Ray aza tsy mitsara olona,
fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra,
mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka
tahaka ny fanajany ny Ray.
Izay tsy manaja ny Zanaka,
dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka Ahy
no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina,
fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Avy sady efa tonga sahady ankehitriny aza
ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra,
ka izay handre dia ho velona.
Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny,
no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa.
Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’Olona.
Aza gaga amin’izany,
fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana
ny feon’ny Zanak’Andriamanitra,
dia hivoaka izy,
ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana,
fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana.
Raha Izaho ihany,
tsy mahazo manao na inona na inona;
fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako,
satria tsy mitady ny sitra-poko Aho,
fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 47, 1-9. 12)

Indro nisy rano nivoaka sy nidina avy ao ambanin'ny tokonan'ny Tempoly, ary velona avokoa izay nalehan'io rano io.

Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny Anjely niverina ho eo amin’ny varavaran’ny Tranon’ny Tompo aho.
Ary indro nisy rano nivoaka
avy ao ambanin’ny tokonan’ny Trano amin’ny lafiny atsinanana,
fa nitodika niantsinanana ny anoloan’ny Trano;
ka nidina ny rano avy ao ambanin’ny lafin-trano ankavanana
tao atsimon’ny ôtely.
Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho,
dia nasainy nanodidina eo ivelany aho
mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany
mitodika miantsinanana:
ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankavanana.
Nony tafavoaka niantsinanana ralehilahy
nitondra kofehy teny an-tanany,
dia nandrefy arivo hakiho izy,
ary nentiny nita ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
Nandrefy arivo hakiho indray izy,
dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano.
Nandrefy arivo hakiho indray izy,
dia nasainy nita ny rano aho, ka hatreo amin’ny andilana ny rano.
Nandrefy arivo hakiho indray,
ka efa ony maria tsy azoko nitana intsony,
fa nihalalina ny rano;
efa rano itana milomano, ony maria tsy azo itana amin’izao.
Ary hoy izy tamiko:

“Ry zanak’olona, nahita va ianao?”

Dia nentiny niverina teo amoron’ny ony maria aho.
Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be
teo amoron’ny ony maria eo andaniny roa.

Hoy izy tamiko:

“Ity rano ity dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana,
hidina ho any amin’ny tany lemaka
vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina;
hoentina mankany amin’ny ranomasina izy,
dia ho tonga mahasalama ny rano.
Ny zava-manana aina mihetsiketsika
any amin’izay halehan’ny ony roa, na aiza na aiza,
ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano;
satria raha vao tonga any ity rano ity
dia ho tonga mahasalama ny ranomasina,
ary hahavelona avokoa izay halehan’ny ony maria.
Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy,
hisy hazo mamoa isan-karazany haniry,
ka ny raviny tsy mba halazo,
ary ny voany tsy mba hitsahatra.
Hamoa voa vaovao isam-bolana izy,
satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony;
ny voany ho fihinana tsara
ary ny raviny ho fanasitranana tsara.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 45, 2-3. 5-6. 8-9)

Ny Tompon’ny tafika momba anay, ny Andriamanitr’i Jakôba ho fiarovana-avonay!

Andriamanitra ny anay no aro sy hery, hita hatra ny ela fa mamonjy amin’ny sarotra.
Koa tsy atahoranay izay tany hihozona,
izay vohitra hihovotra afovoan-dranomasina.

Andriamanitra mampifaly ny tanànany amin’ny ony misampana,
ilay Avo manamasina ny Fonenany. Andriamanitra eo anivony: tsy mihontsona izy,
Andriamanitra mamonjy azy raha madiva haraina.

Ny Tompon’ny tafika momba anay,
ny Andriamanitr’i Jakôba no fiarovana-avonay!
Tongava hizaha ny asan’ny Tompo,
ny zava-mahagaga vitany eran-tany.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)

Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy.

Tamin’izany andro izany,
niakatra tany Jerosalema i Jesoa
fa nisy andro fety tamin’ny Jody tamin’izay.
Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry,
dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio,
izay misy trano heva dimy.
Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo.
Ary nisy lehilahy anankiray
narary hatramin’ny valo amby telopolo taona teo.
Nony nahita azy nivalandotra i Jesoa,
sady fantany fa efa ela no naharariany,
dia hoy Izy taminy:

“Te-ho sitrana va ianao?”

Ary hoy ny navalin’ny marary:

“Tompoko, tsy mba manana olona
handroboka ahy amin’ny dobo aho rahefa mihetsiketsika ny rano;
ka nony mba mandeha aho,
dia ny hafa, no tafidina alohako.”

Hoy i Jesoa taminy:

“Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana.”

Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy,
ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha.
Ary sabata ny andro tamin’izay.
Ka hoy ny Jody tamin’ny vao sitrana:

“Sabata ny andro
ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao Ianao.”

Fa hoy ny navaliny azy:

“Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe:
Ento ny fandrianao ka mandehana.”

Dia hoy ireo nanontany azy:

“Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe:
Ento ny fandrianao ka mandehana, izany?”

Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana,
fa ny vahoaka moa betsaka,
i Jesoa koa niala teo.
Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy
ka hoy Izy taminy:

“Indro fa sitrana ianao, ka aza manota intsony
sao dia ratsy noho ny teo indray ny manjò anao.”

Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody
fa i Jesoa no nahasitrana azy.
Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody
satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 65, 17-21)

Tsy misy ho re ao intsony na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Indro Aho hahary lanitra vaovao sy tany vaovao,
ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony,
na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Aoka hifaly kosa ianareo sy hanan-kafaliana mandrakizay
noho izay efa hoarìko;
fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana,
sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.
Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho,
sy ho ravoravo amin’ny vahoakako.
Ka tsy misy ho re ao intsony
na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.
Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka
ho fohy andro iainana,
na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny;
fa mbola maty tanora ihany
ny maty amin’ny fahazato taonany,
ary efa zato taona ny mpanota
vao ho tratry ny ozona.
Hanao trano izy, dia izy no honina ao;
hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b)

Deraiko ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
Tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho!
Ny fanahiko, ry Tompo ô,
nakarinao avy any an-tSeoly; novelominao aho
izay efa nitsitra tany an-davaka.

Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka!
Isaory ny Anarany masina.
Mihelina foana ny havinirany,
maharitra kosa ny fanambinany.
Izaho: hariva mialin-tomany; maraina, velon-kalo!

Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho!
Tompo ô, tahio aho!
Dia navadikao ho dihy ny toreoko.
Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 43-54)

Mandehana, fa velona ny zanakao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea.
Fa araka ny efa voalazany
dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny.
Ary nony tonga tany Galilea Izy,
dia noraisin’ny Galileanina,
satria efa hitany izay rehetra nataony
tany Jerosalema tamin’ny andro fety,
fa tany koa izy ireo tamin’ny fety.
Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy,
tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay.
Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray
nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma,
ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa,
dia nanatona Azy izy
ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty.
Fa hoy i Jesoa taminy:

“Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo,
dia tsy mba mety mino!”

Ka hoy ilay manamboninahitra taminy:

“Andeha re, Tompoko,
dieny mbola tsy maty ny zanako!”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Modia, fa velona ny zanakao.”

Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy
ka lasa nody.
Nony nandeha izy,
dia notsenain’ny ankiziny
ka nilazany fa velona ny zanany.
Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany,
ka hoy ireo taminy:

“Omaly tamin’ny ora fahafito
no nialan’ny tazo taminy.”

Dia fantatry ny rainy,
fa tamin’izany ora izany indrindra
no nilazan’i Jesoa taminy hoe:

“Velona ny zanakao”,

ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra.
Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa,
rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôsoe (Jôs. 5, 9a. 10-12)

Nankalaza ny Paka ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa tafiditra tao amin’ny tany nampanantenaina.

Tamin’izany andro izany dia hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe:

“Noesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta”.

Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany.
Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely,
dia nanao ny Paka, tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana,
rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô.
Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango,
tamin’ny vokatry ny tany.
Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy,
dia nitsahatra ny mana;
ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely,
ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 4-5. 6-7

Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana
ny tavanareo tsy hangaihay,
ity ory, velona antso ka novaliany,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kor. 5, 17-21)

Andriamanitra nampihavana antsika aminy, tamin’ny alalan’i Kristy.

Ry kristianina havana: na iza na iza ao amin’i Kristy,
dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha;
fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra,
izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy,
sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana;
satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray,
tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy,
ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa,
ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe:

“Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!”

Fa he ity Izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika,
mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.

Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.

Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)

Io rahalahinao io, dia maty ka velona indray.

Tamin’izany andro izany dia nanatona an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota
ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe:

“Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy”.

Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe:

Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy:

“Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”.

Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany.
Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra
ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy.

Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra,
dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy.
Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany,
ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha.
Naniry hivoky tamin’ny hodiboan-javatra nohanin’ny kisoa izy,
fa tsy nisy nanome azy.
Izay vao nody ny sainy ka hoy izy:

“Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be,
nefa izaho kosa ity maty noana aty!
Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe:
Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho,
ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony;
fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho”.

Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy.
Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy,
ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.
Dia hoy ity zanany taminy:

“Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho,
ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony”.

Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony:

“Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy;
asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,
ary ento ny zanak’omby matavy, ka vonoy;
dia aoka hihinana sy hifaly isika,
fa ity zanako ity dia maty ka velona indray,
ary very ka hita indray”.

Dia nifaly izy rehetra.

Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay.
Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy,
ka niantso ankizy lahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany.
Dia hoy ilay mpanompo taminy:

“Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao,
satria tafaverina soa aman-tsara izy”.

Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra,
ary nivoaka rainy hampandroso azy.
Fa hoy ny navaliny an-drainy:

“Indro efa ela no nanompoako anao,
ary tsy mbola nandika ny didinao iray akory aho,
nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako;
fa nony tonga kosa io zanakao io,
izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga,
dia namonoanao zanak’omby matavy izy”.

Fa hoy irainy taminy:

“Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva,
ka anao avokoa izay rehetra ananako;
fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana,
satria io rahalahinao io,
dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Tsy hanao be lazao na hanao laza masaka ny Arofanina anio, fa hanompana ny matoan-dahatsorany amin’ny trangam-piarahamonina izay tena mampikaikaika ny maro. Misy ve ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara? Samy manana ny hamaritany izany ny tsirairay na dia iaraha-mahalala sy tsy mila omena aza ny valiny.

• Tsy hisy fiantraikany mivantana amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara intsony ilay rivodoza Jude. Olona iray no maty ary iray hafa naratra, vokatry ny fandalovan'ity rivodoza ity, ny faran'ny herinandro teo... • Manan-jo tanteraka handray fepetra ny mpitondra fanjakana manolona ny aretina vokatry ny fahasimban'ny sakafo tany Mahajanga, nandritra ny andron'ny 8 marsa teo, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy... • Mangataka ny hanaovana ny skotisma ho fikambanana ara-panjakana ny Firaisamben'ny Skotisma Malagasy...

• Tao amin'ny Kaominina Ankilibao, Distrikan'Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 9 ora maraina teo. Nihena ny heriny ka 90 km/ora ny rivotra miaraka aminy. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Tolagnaro ny takariva i Jude... • Fandoavana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny oniversite : Tsy hisy fahatarana intsony ary tsy hisy fiantraikany amin'ny vola horaisin'ny mpianatra ny fampiasana ilay rindram-baiko EDUTIC, hoy ny Minisitra Chaminah Loulla... • Fifandraisan'i Madagasikara amin'i Comores : Naverin'i Comores amintsika ireo bolongam-bolamena 28, tra-tehaka tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Prince Saïd Ibrahim, ny volana desambara 2021...

• Niditra an-tanety tany amin'ny 70 km avarata atsinanan'i Itampolo ny ivon'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 1 ora maraina teo. Hamakivaky ny tapany atsimo izy ary hivoaka an-dranomasina any Tolagnaro ny takariva... • Marihina anio 15 marsa ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Zon'ny mpanjifa. Any Antsirabe ny ivon'ny fankalazana, ho antsika eto Madagasikara, izay karakarain'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Fivoriamben'ny COI : Efa vonona ireo pitsopitsony handraisan'i Madagasikara ny adiany faha-5, ny 23 sy 24 avrily 2025...

• Tany amin'ny 150 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Efa vonona avokoa ireo pitsopitsony rehetra ilaina amin'ny fanomanana sy ny toerana handraisana ireo delegasiona amin'ny fivoriamben'ny COI andiany faha-5, izay hatao eto amintsika ny 23 sy 24 avrily 2025... • Manamafy ny fiaraha-miasa momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly, na ny BIANCO, sy ny Sampan-draharaha misahana ny Fanagiazana ny Fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalana, na ny ARAI...

• Manentana ny kristianina rehetra hanankina an'i Madagasikara amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, amin'izao taon-jobily izao... • 12 taona katroka ny 13 marsa 2025, ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François... • Nanao antso avo amin'ny fampitomboana ny andraikitry ny vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny Vatica, ny alarobia 12 marsa 2025...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...