Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin'ny Faritr'i DIANA. Manana tetik'asa iarahana amin'ny Réseau SOA tohanan'ny F.F.F-F.A.O izy ireo. Tetik'asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo...

Anisan’ny fomba iray manampy amin’ny firindran’ny fiainam-pianakaviana ny fisafidianan’ny mpivady ny isan’ny zaza ateraka sy ny fotoana hananany izany. Ny fandrindram-piterahana ara-boajanahary dia ankatoavin’ny fiangonana katolika ny fanarahana azy. Tsapa araka ny zava-misy sy ny fanehoan-kevitr’ireo olona fa tsy dia mbola ampy ny fampahafantarana io fomba io, na dia ilaina aza. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Ny teny sy ny famantarana ampiasaina amin'ny litorjia dia efa voafaritra manokana mihitsy. Raha toa ka mampiasa ny tenim-pirenena dia tsy maintsy efa nankatovin'ny Foibe any Vatikana ny dikan-teny. Ny Boky ampiasaina amin'ny litorjia dia na Baiboly na ny Boky fanaovana lamesa, ireo boky momba ny Sakramenta na sakramentaly sy ireny fitsofan-drano manokana ireny dia tsy maintsy efa nankatoavin'ny Eglizy. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

♦ Notendren'ny Papa François androany ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo-Atsinanana. Izy no handimby an'i Mgr Gaetano Di Piero... ♦ Miantso fihaonana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra, ireo Ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, manoloana ny olana ara-tsôsialy ankehitriny. Nanao fanambarana teny Isoraka izy ireo androany... ♦ Efa tonga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2025. Volavolan-dalana roa hafa no efa lany teny Tsimbazaza, ankoatra izay...

♦ Tsy faly tamin'ny fanitsiana sy ny fanasaziana azy noho ny tsy fanarahan-dalàna ny zandary iray mpiana-draharaha tany Beroroha ka nitifitra ny lehibeny. Maty vokatr'izany ny Kapiteny Franck Muller. Maty nitifi-tena ihany koa ilay zandary mpiana-draharaha... ♦ Manana paik'ady amin'ny fanamboarana toeram-pamonjana vaovao ny tompon'andraikitry ny Fonja eto Madagasikara hampihenana ny fivangongon'ny voafonja misy ankehitriny... ♦ Namoaka voka-pikarohana nataony nandritra ny 35 taona momba ny eny ambanivohitra ny mpampianatra mpikaroka, Hugues Rajaonson. Resahana anatin'izany ny pôlitika hahalasa ho mpandraharaha ny tantsaha mpamokatra...

Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Tito (Tit. 1, 1-9)

Alamino araka ny nandidiako anao ny Pretra.

I Paoly, mpanompon’Andriamanitra
sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy momba ny finoan’ny olom-pinidin’Andriamanitra
sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay
izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra;
fa tamin’ny fotoana voatendry no nampiharihariany ny teniny
tamin’ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika:
dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika;
ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray
sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Ny antony namelako anao tany Kreta
dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra,
sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:
dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany,
sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.
Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra,
ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra,
tsy tia divay loatra, tsy mikapoka, tsy mpila vola;
fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena,
mitana mafy ny teny marina nampianarina azy
mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina,
sy handresy lahatra izay manohitra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa;
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano;
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)

Na diso aminao impito indray andro aza izy ka nanao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy,
ka raha mivalo izy, dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe: ‘Mifona aho’,
dia mamelà azy.”

Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:

“Ampitomboy ny finoanay.”

Fa hoy ny Tompo:

“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:
‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,
dia hanaiky anareo izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 10-16)

Nanao mofo kely tamin’ny lafarìna eran’ny tanana ila izy ary nitondrany i Elia.

Tamin’izany andro izany, dia niainga nankany Sareftà i Elia mpaminany.
Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy,
indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo,
dia nantsoiny ka nataony hoe:

“Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko”.

Dia nandeha naka rano ravehivavy.
Nantsoiny izy ary nataony hoe:

“Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho, raha sitrakao”.

Fa hoy ny navaliny:

“Velona ny Tompo Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko;
lafarìna eran-tanana ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako.
Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka;
hohaninay izany, dia ho faty izahay”.

Fa hoy i Elia taminy:

“Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany.
Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankaty amiko,
vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.
Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Ny lafarìna ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory,
mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranonorana eto ambonin’ny tany”.

Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia,
ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa.
Ny lafarìna tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena,
araka ny tenin’Andriamanitra, nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10

Derao ny Tompo, ry fanahiko.

Izy manome rariny izay ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
no Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny.

Tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena,
Tompo tia ny olo-marina.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb 9, 24-28)

Nanolotra ny Tenany indray mandeha i Kristy mba hanala ny fahotan’ny maro.

Ry kristianina havana,
tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy,
fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.
Ary tsy mba toy ny Mpisorombe niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina
sy nitondra ran-javatra hafa Izy, ka hoe hanolo-tena matetika;
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao;
fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao,
mba hanongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany,
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha monja koa,
mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany,
mba hamonjy izay miandry Azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 41-44)

Io mahantra mpitondratena io no nandatsaka be indrindra tamin’ireo.

Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

Io mahantra mpitondratena io no nandatsaka be indrindra tamin’ireo.

Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Jesoa tamin’ny fampianarana nataony tamin’ny vahoaka:

“Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba,
sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga,
mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny,
kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena,
ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.

Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hoampiasaina avokoa ireo foibe famokarana herinaratra ao Ambohimanambola na dia mandany volabe aza izany hoy ny Filoham-pirenena raha nitsidika teny an-toerana izy omaly. Hamahana ny olan'ny delestazy amin'izao fotoana izao no tanjona... ♦ Fototra mahafaty momoka ny tolom-bahoaka teto Madagasikara ny tsy fanajàn'ny mpanao pôlitika ny hetaheta sy ny safidim-bahoaka hoy Profesora Ralison Roger. Manampy trotraka ny fitsabahan'ny any ivelany ny raharaham-pirenena... ♦ Miantraika lalina any amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivo-doza mahery vaika sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa... ♦ Manantena ny hiaton'ny ady mialohan'ny 5 novambra izao ny PM any Liban...

Ny andro dia isan'ireo fepetra tsy maintsy hajaina araka ny litorjia ; satria ireo mifandraika mivantana amin'ny famonjena dia didina hamasinina, ary ireo daty ireo mihitsy no ankalazana azy fa tsy azo afindra andro hafa. Fepetra takian'ny litorjia ihany koa ny arak'olona : olona maro anefa na olona iray, toy ny Pretra na Relijiozy, dia vavaky ny vahoaka izay, litorjia izay, vavaky ny Eglizy izay, ho an'ny vahoaka. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

♦ Ahena hatrany amin'ny 80% ny délestage eto Madagasikara ato anatin'ny fotoana fohy, ary ho foana tanteraka izany amin'ny taona ho avy, hoy ny Filohan'ny Repoblika, androany... ♦ Miantraika lalina amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivodoza mahery vaika, sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa eto amintsika... ♦ Malaina mametraka ny mangarahara amin'ny teti-bolam-panjakana ny tompon'andraikitra misahana izany eto amintsika, hoy ny Rohy...

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...