--- Marihana isaky ny 15 Mars, isan-taona, ny andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa. Tanjona kendrena amin’izany ny hanandratana ny zo fototry ny mpanjifa, ny fiantohana azy, ny vaovao tokony ho sitrahany ary ny safidiny. "Vokatra azo antoka, mpanjifa feno fahatokiana", izay no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Isan-taona, ankalazaina mitety faritra ary amin’ny fomba manetriketrika, ity andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa ity eto amintsika. Tamin’ny herintaona, ohatra, ny tao Antsirabe renivohitr’i Vakinakaratra, no nandray izany...
Teny malaza eo amin’ny tontolon’ny varotra ny hoe : "Mpanjaka ny mpividy", midika ihany koa izany fa mpanjaka ny mpanjifa. Tena izay marina ve ny zava-misy raha ny tontolon’ny fanjifana eto Madagasikara no resahana?
Aleo dia tsorina fa mbola tsy mahalala ny zony amin’ny an-kapobeny ny mpanjifa malagasy. Ny mpanjifa mahafantatra ny zava-misy anefa no mpanjifa voaaro. Misy ny lalàna momba ny fanjifàna eto Madagasikara. Misy ihany koa ny fitantanan-draharaha manokana misahana ny fanjifana eo amin’ny departemanta misahana izany dia ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana.
Im-piry ao anatin’ny taona anefa ireo tompon’andraikitra no manazava ny zo tokony sitrahan’ny mpanjifa? Ny azo antoka aloha dia isaky ny 15 Mars toa izao vao mampahalala izany amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa atao izy ireo. Ary indraindray amin’ny fotoana hisian’ny tranga sarotra amin’ny fanjifàna, dia amin’ny fotoana mampisy ny vokatra niparitaka teny an-tsena nitera-doza tamin’ny fahasalaman’ny olona na ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Tsy ampy fiarovana ihany koa ny mpanjifa. Ny fahefana mpampihatra ny lalàna no tokony hiaro azy ireo rehefa misy ny zony voahitsakitsaka, kanefa misy tranga manahirana ihany indraindray.
Manao ny asany, ohatra, ireo mpanara-maso ny varotra, mijery ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny vokatra akoriana eo amin’ny tsena, saingy matetika iharan’ilay teny hoe : "mena ambanin’ny mena" ihany izy ireo amin’ny asa iantsorohany indraindray. Efa nitranga teto amintsika ohatra ary nivoaka tamin’ny haino aman-jery ny fitarainan’ny mpanara-maso ny varotra nanao ny asany. Nahatratra entana lany daty an’ny teratany vahiny mpandraharana iray teto amintsika izy ireo. Noraisina ny fepetra mahakasika izany, saingy avy hatrany dia nanatona tompon’andraikitra ambony iray ity mpandraharaha vahiny nanao fandikan-dalàna ity ary tsy fantatra ny tohin’ny raharaha taty aoriana.
Misy koa ny fikambanana miaro ny zon’ny mpajifa eto amintsika, saingy ankavitsiana amin’izy ireny no tena manao ny asany ankitsi-po amin’izay fiarovana ny zon’ny mpanjifa izay. Ny tena hita taratra aloha, dia endrika ivelany voizina amin’ny haino vaky jery, ny maha mpiaro ny zon’ny mpanjifa azy ireo izay, rehefa misy ny fotoana itadiavana ny solotenan’ny mpanjifa amin’ny rafi-panjakàna iray.
Misedra olana koa ny mpanjifa rehefa mitaraina. Misy ireo mpandraharaha sasany no mampihatra ny fitsipika ho azy manokana amin’ny entana amidiny, fa tsy miraharaha ny lalàna misy. Ohatra amin’izany ny tokony hisian’ny Garantie na ny fiantohana ny entana misy fahasimbana, toa ny fitaovana elektronika, saingy misy amin’ireo mpandraharana ireo no tsy te hahalana izany fa ny entana efa lafo, hoy izy ireo, tsy azo averina intsony.
Tsy ny mpandraharaha vaventy ihany no manao zinona izay zon’ny mpanjifa izay, fa misy koa ireo mpivarotra enta-madinika no mampihatra ny fahefany. Firifiry ireo mpanjifa voafitaka, amin’ny hala-danja, ny tsy fampisehoana miharihary ny entana amidiny, ny famarotana vokatra ratsy kalitao. Misy amin’ireo mpivarotra no tsy miraharaha an’io, fa na dia entana efa hita fa misy fahasimbana izao aza, dia mbola sahan’izy ireo amidy ihany. Iarahantsika mahita izany amin’ny tahalana misy voankazo efa simba, hena efa maimbo, mofo ifamezivezen’ny lalitra ao anatin’ny fametrahana sakafo vita amin’ny fitaratra, na ny vitrine, raha tsy hitanisa afatsy ireo isika.
Inona àry ny tokony hatao mba ho voaharo ny zon’ny mpanjifa?
Ampiharo amin’ny rehetra ny lalàna miaro ny zon’ny mpanjifa mba tena hisy ny arofanina ho azy ireo. Dia ny zo amin’ny fiantohana azy amin’ny fanjifana, ny zo amin’ny fahazoana vaovao, ny zo hisafidy, ny zo hohenoina, ny zo hahazo fanabeazana amin’ny maha mpanjifa azy, ary ny zo hanao fitarainana rehefa misy ny tsy fahafaham-po na tsy fanajàna ny lalàna misy amin’ireny entana amidy ireny. Matetika mantsy, tsy mampihatra ny lalàna ny tompon’andraikitra, raha tsy efa misy ny fahavoazana goavana.
Mila mandray andraikitra koa ny mpanjifa. Izy ireo no tokony hanapa-kevitra farany rehefa misy toeram-pivarotana lehibe, na mpivarotra manitsakitsaka ny zony, ka tsy hividy ny vokatra amidiny. Isika mpanjifa no miala vola, ka isika koa no tokony hanapa-kevitra.
Zava-dehibe koa ny fanabeazana ny mpanjifa ka tokony ho resy lahatra ny rehetra fa ny fanjifàna ny vokatra vita eto an-toerana no fandraisana anjara voalohany amin’ny fanandratana ny toe-karena.
Tsy tokony hatao tsinotsinona ny tolon’ny fanjifana raha te hanandratra ny toe-karena isika. Tontolo iray goavana ao amin’ny sehatry ny toe-karena mantsy ny fanjifana. Ny Fanjifàna matanjaka no mampahatanjaka ny fihariana. Ny mpanjifa manana fahahafaha-mividy ampy mantsy no antoka isandratan’ny toe-karena. Manana anjara andraikitra lehibe mametraka tontolo ara-toe-karena ampisondrotra ny fari-pianan’ny malagasy sy ahafahan’ny olona manjifa araka ny tokony ho izy ny mpitondra Fanjakàna, fa tsy ho variana amin’ny ady seza sy ny fiarovan-tseza fotsiny.
Mila mandray andraikitra noho izany ny malagasy mpitondra, sy ny vahoaka entina, mba hanandratra an’i Madagasikara ho firenena matanjaka ara-toe-karena eo amin’ny sehatry ny fanjifana, hialana amin’izao fahantrana lalina mahazo ny vahoaka izao… Dia mba ho tanteraka amin’izay fotoana izay ilay hoe : "Mpanjaka ihany koa ny malagasy mpanjifa e".