25 mey — Teraka tany Angleterre ny taona 672 i Bède. Mbola ley izy dia efa maty ny ray aman-dreniny ka teo amin'ny fahafito taonany izy no naterin'ny havany tany amin'i Benoît Biscop, lehiben'ny mpitoka-monina tao Canterbury. Mpmampiofana ireo mpitoka-monina i Benoît no sady nanana andraikitra manoka koa tamin'ny fampifandraisana an'i Roma sy Angleterre.
Alarobia 27 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11-19 — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
Talata 26 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Hangataka amin'ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva.
♦ Tafakatra 527 ny isan'ny olona voaporofo fa mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nandray fepetra vaovao hanamafisana ny ady atao amin'ny fihanaky ny Coronavirus any Toamasina ny fitondram-panjakana... ♦ Dokotera mpitsabo iray no nondaosin'ny fahafatesana tany Toamasina omaly. Misokatra ny fanadihadiana amin'ny antony nahafaty azy...
24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.
♦ Hisy fitsapa-pahaizana ho an'ireo mpianatry ny sekoly katôlika ao amin'ireo kilasy anelanelany amin'ny fiandohan'ny taom-pianarana vaovao... ♦ Efa misokatra sahady ny fisoratana anarana handraisana mpianatra vaovao amin'ireo facultés sasany eny Ankatso... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka raha tokony ho omaly ny fandinihana an'ilay tolo-dalana vaovao momba sata mifehy ny mpanohitra...
23 mey — I masindahy Didier dia avy au Autun ary voatendry ho eveka tao Vienne tamin'ny 595. Tamin'izany fotoana izany dia ny mpanjakavavy Brunehaut na Bruehilde no nitondra an'i Austrasie, satria mbola tsy ampy taona ny zafikeliny izay handimby eo amin'ny fitondrana.
Alatsinainy 25 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33 — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.
♦ Niampy 45 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika raha ny tarehimarika omaly... ♦ Ny Paositra Malagasy no mitatitra ireo tambavy CVO vokarin'ny IMRA, miainga eto Antananarivo ary aparitaka manerana ny Nosy... ♦ Minatso ireo parlemantera miatrika fivoriana ny fiatrahamonim-pirenena misehatra eo amin'ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana...
Alahady 24 mey 2020 — Alahady fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy i Jesoa, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.
22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.
Namoaka fanambarana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, mitondra ny datin'ny omaly 21 mey 2020, fankalazana ny Niakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra. Mamaky izany fanambarana izany Son Excellence Monseigneur Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'i Miarinarivo, Sekretera Jeneralin'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco