♦ Niampy 45 indray ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara araka ny tatitra androany... ♦ Miendrika fihantsiana ny nataon'ny fitondrana frantsay amin'ny filazana fa hanangana faritra arovana ao amin'ny Nosy Sambatra izy ireo... ♦ Tafakatra 1.900.000.000 Ariary sahady ny vola very nefa tokony hiditra any amin'ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany...
21 mey — Teraka tao Totatiche, diôsezin'i Guadalajara, Mexique ny 30 jolay 1869 i Christophe na i Cristóbal. Magallanes Jara no anarany, pretra izy, nohamasinina tamin'ny 17 septambra 1899 ary isan'ireo martiry 25 tao Mexique.
♦ Mandinika amin'ny antsipiriany ny volavolan-dalana atolotra azy ny ao amin'ny Anterimieran-doholona vao mandany izany... ♦ Hiroso amin'ny fametrahana ny solontenany eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM... ♦ Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fifampiresahana no hamahana ny olana eo amin'ny France sy i Madagasikara...
Zoma 22 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 20-23 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo ; handeha Aho ary ho avy aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.
20 mey — Ny 08 septambra 1380 tao Massa Martima, no teraka avy amin'ny fianakaviana andriana i Bernardin. Vao telo taona monja izy dia maty ny rainy ary teo amin'ny faha-6 taonany izy no nodimandry ny reniny ka ny nenitoany no nitaiza azy.
♦ Miisa 326 ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny roa volana... ♦ Nitsidika tany Moramanga omaly ny Praiministra Ntsay Christian. Isan'ny anton-diany ny faametrahana lamina ho fanamafisana ny ady atao amin'ny Covid-19... ♦ Hitaky ny hanoloana ireo Loholona roa, lany tamin'ny anaran'ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara, nametra-pialana ny vondrona parlemantera HVM...
♦ Olona efatra vaovao indray no voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Na misy aza ny fidinan'ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena dia tsy maintsy ny fifanarahana eo amin'ny Kompanian-tsolika sy ny Fanjakana ihany ho ahafahana mametra ny vidiny eto Madagasikara...
Mila manaiky ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpanabe hoe tsy fidiny izao zavatra mitranga izao. Mila misaotra an'Andriamanitra ihany koa hoe mbola velon'aina afaka mampita fahalalana amin'ny mpianatra. Tsy tokony hohadinoina fa raha tsy mahay ny ankizy, tsy vahaolana ny sazy ; ary indrindra indrindra mila mahay mandray lesona amin'ny zava-mitranga. Mila mahery, mila manam-pinoana sy fanantenana.
♦ Tsaboina ao amin'ny hôpitaly Anosiala, ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ilay olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tany Mahajanga... ♦ Namoaka didim-pitondrana ny any amin'ny faritra Amoron'i Mania fa tsy maintsy manao arotava ny mponina any... ♦ Tsy ampy iatrehana ny firongatry ny tazomoka eto amintsika ny fanafody misy hoy vondron'ireo mpivaro-panafosy matihanina...
Alakamisy 21 mey 2020 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo, ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.
19 mey — I Raphaël-Louis Rafiringa dia mbola olontsambatra amin'izao fotoana izao. Teraka tao Antananarivo ny taona 1856 i Rafiringa. Ny taona 1866 izy no nihaona tamin'ireo Frères des Ecoles Chrétiennes telo mirahalahy, tonga teto Antananarivo ka niditra nianatra tao amin'ny sekolin'izy ireo.
♦ Tafakatra 322 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Toherin'i Madagasikara amin'ny fomba hentitra ny fikasan'i Frantsa hametraka ilay ivo-toerana mbomba ny tontolo iainana any amin'ny Nosy Sambatra... ♦ Mitaky ny hanajana ny fisaraham-pahefana eo amin'ny fahefana mpanatanteraka, fahefana mpanao lalana ary fahefam-pitsarana ny vondrona parlemantera tsy miankina na ny GPR...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco