Alatsinainy 26 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-30 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 10-17 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

0 : 00

Mahakasika ny fomba hahitantsika ny fahasambarana no votoatin’ny Tenin’Andriamanitra anio. I Masindahy Paoly Apôstôly, ao amin’ny taratasy fanentanany ireo kristianina tany Efezy no mamboraka amintsika ny tsiambaratelo voalohany : mila mitafy ilay olom-baovao isika. Ka ny maha-olom-baovao antsika dia tsy inona fa ny fananana hamoram-po, halemem-panahy. Noho izany tsy ahitana karazam-pahalotoana sy fitiavan-tena izany hamoram-po sy halemem-panahy lazain’i Masindahy Paoly etoana izany.

Ao amin’ny Salamo voalohany koa no ahitantsika ny tsiambaratelon’ny fahasambarana : « mila mahita fahafinaretana eo am-pitandremana ny Lalàn’Andriamanitra isika raha te ho sambatra ». Midika izany fa tsy mila manaraka ny torohevitry ny ratsy fanahy isika. Tandremo anefa sao mitarika antsika ho hentitra loatra amin’ireo manodidina antsika izay tsy mitsaha-manao soa hatraiza hatraiza izany fitandramentsika ny Lalàn’Andriamanitra izany. Izany mantsy no nitranga tao amin’ny Evanjely anio, ity lehiben’ny sinagoga izany nitezitra ny olona nanatrika ny nanasitran’i Jesoa an’ilay vehivavy tsy nahatraka, tamin’ny andro sabata. Manakana antsika tsy hahatsikaritra ny sitrapon’Andriamanitra mantsy izany, manakana antsika tsy hahita fa manafaka ireo mijaly ny fitiavan’Andriamanitra ka mahatonga azy ireo ho afaka hidera an’Andriamanitra amin’andro Sabata.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...