Alarobia 21 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

{mp3}20201021-evanjely{mp3}

Antitraterin’i Jesoa amintsika ny hoe: “mivonona fa ho avy amin’iny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona”. Tsy fantatra ny fotoana hiverenany fa ho tonga tampoka Izy ka ny tetikady iomanana amin’izany no atorony antsika : miomana. Soa fa natorony antsika izany fa angamba raha tsy nampiomana antsika Izy dia ho tena raharaha ny hahazo antsika. Isika olombelona mantsy efa zatra manaram-po amin’izay atao, eny na amin’ny ratsy aza, diniho anie ny fahotana fanaontsika e ! manampy trotraka an’izany ny tontolo misy antsika mitaky ny eo no ho eo, izao dia izao, ny impiry ho tanora, ka manararaotra mampanara-batana sy manome vahana ny filàna rehetra, ny hita maso ihany, tsy mandraharaha ny ampitso sy ny ho avy, mainka moa ny any an-koatra ; sady manao izay danin’ny kibo ihany koa isika ka tsy mandraharaha sy tsy mivaky loha akory. Aza atao toy ny solosaina na fitaovan-tserasera ny fiainana ka raha vao potsirina ny bokotra dia miseho eo no ho eo izay tiana ho azo ! Fa lalin-dalina kokoa noho izany ny fiainam-panahin’ny olona. Koa raha amin’izany fanaranam-po izany tokoa moa no tonga tampoka ny Tompo dia asa izay hanjo ! Tsy ho loza ! Fa misy ihany koa miteny hoe : tsy aleo ve fantatra mialoha ny fotoana ihaviany mba hahafahana miomana tsara ! Indrisy anefa, tsy ny fiomanana no atao fa ny mifanohitra amin’izany satria tsy ho rototra mihitsy isika, na mety tsy hanao ny tsara akory satria mbola mieritreritra hoe : rahoviana izany vao ho tonga ! Koa mety indrindra ny miomana hatrany mba tsy hanampoka ny fahatongavany ary na tampoka aza efa vonona ka tsy hanan-tahotra. Tsy mpangalatra Izy no ho avy fa ny Zanak’olona, ny Tompontsika.

Hevitra tsy azo mampiazoazo ka nahatonga an’i Piera nanontany hoe ho an’iza marina no itenenan’i Jesoa an’izany. Tsy namaly mivantana i Jesoa hoe ho an’ny mpianany na ho an’ny vahoaka rehetra fa samy maka izay tandrifiny ny rehetra. Voatendry ho mpitandrim-pananana isika, noho ny batemy noraisintsika, ka tandremo manary fananana ary tsy antsika izany fananana izany fa Azy Tompo. Koa tsy tompony isika fa toy ny mpiandry omby volavita : mpamerin-doha. Raha tsorina dia tsy antsika ny tenantsika fa Azy Tompo : fa na maty na velona isika dia ho Azy Tompo foana, araka ny voalazan’i Masindahy Paoly. Aoka isika ho mpitandrim-pananana ka ny “mahatoky sy ny hendry” no tsara indrindra, toy ny soroka havia sy havanana ireo ka tsy maintsy iantsorohantsika mandrakariva, tsy azo sarahina amin’izay atao rehetra. Raha sarahina mantsy ireo manjary mandeha ila toa kiraron’i Beminà ka tsy mandeha lalana mihitsy. Aiza koa moa no hisy an’izany soroka ilany izany fotsiny e ! Koa aoka isika hiomana mandrakariva, tsy hanjehy ny andro ho lava, tsy hanao ampitso ampitso lava fa raha mbola misy ny anio dia ho vonona hatrany isika, tsy hanan-tahotra ny hiverenan’ny Tompo na ho ela na ho haingana. Ary amin’izay ataontsika, mazava ny zavatra ho takiana : “Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa”. Ka tsy misy ho afa-maina araka izany. Mahereza àry isika rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...