Alarobia 28 ôktôbra 2020 — Masindahy Simona sy Joda, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-16 — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo ; ny antokon'ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo.

0 : 00

Mahakasika ny fifidianana ireo Apôstôly roa ambin’ny folo mirahalahy ny vakiteny androany. Nofidian’i Jesoa manokana ireo roa ambin’ny folo mirahalahy ireo. Lazain’i Masindahy Lioka fa nandritra ny alina manontolo i Jesoa no nivavaka mba hahafantarany hoe iza no hofidiana. Tokony ho modelin’ny fifidianana an’ireo olona nanankinana ny andraikitra ao anatin’ny Fiangonana ity nasehon’i Jesoa Kristy ity. Apôstôly no anaran’izy roa ambin’ny folo mirahalahy, iraka na koa hoe misiônera. Tsara ho marihina fa i Tadé ihany no i Joda, ary i Simona ilay zelota no ilay Simona ankalazaintsika anio ny fetin’izy sy Joda.

I Simona Piera no lohalaharana amin’ny listra ary i Jodasy Iskariota no mamarana azy. Tsipihana etoana ny laza ratsin’ity Apôstôly ity fa hoe izy no ilay hamadika an’ilay nifidy Azy. Manambara amintsika izany fa ireo izay nofidian’i Jesoa manokana mihitsy no nahasahy namadika Azy. Koa aoka isika tsy hatoky tena ka hilaza fa io anarana maha-kristianina io no karazana vaksiny sahady tsy hahalatsaka antsika amin’ny karazana fakam-panahin’ny famadihana an’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...