28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.

Izy ireo dia zanak'olo-mpiray tampo amin'i Jesoa. Tantsaha izy mirahalahy ireto talohan'ny naha mpitory ny Vaovao Mahafaly azy. Tany Egypte sy Mauritanie ary Lybie i Simon no nitory teny voalohany. I Jude indray rehefa nahita fahombiazana tamin'ny fitoriana teny tany Afrika dia niverina tany atsinanana ka nitory ny Evanjely tany Judée sy Samarie, Syrie ary Mésopotamie. Nifanena tany Perse i Simon sy i Jude, ary niara-nitolona sy niara-maty tao.

Ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asan'izy ireo no nahatonga ny mpanjaka tao an-tanana nanaja azy ka nahafahany nitory malalaka ny Vaovao Mahafaly sy ny fampitana ny finoana. Nisy trangan-javatra iray, nampitombo ny fanajana azy ireo : tigra roa tafavoaka ny trano nisy azy ary nampihorohoro ny tanana manontolo. Tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy no nibaikoan'i Simon sy i Jude ireo biby masiaka ireto mba hanaraha azy ireo, ary naverin'izy ireo tany amin'ny trano fitoerany ireo biby ireo. Tao aorian'izay dia nibebaka ho kristianina ny mpanjaka niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-dapa, ary Perses enina alina, nibebaka ho kristianina ihany koa. Naorina teo amin'ny toerana nisy ny tempolin'ny sampy ny fiangonana. Tanteraka soa aman-tsara ny fandresen'i Kristy.

Tetsy andanin'izany anefa dia tsy nikely soroka ny fahavalon'ny fanahy, izay tezitra noho izany fahombiazana izany ka nanao izay nanakanana ny fiitaran'ny fitoriana ny Evanjely. Nandeha nitory an'i Kristy tany amin'ny tanana hafa i Simon sy i Jude, te hanohitra azy ireo ny mpanompo sampy ka nampanao sorona tamin'ny masoandro izay notsaohan'izy ireo. Nampirisihan'izy ireo hanolotra sorona teo amin'ny masoandro ihany koa i Simon sy i Jude, fa hoy i Simon hoe : "Ny masoandro dia mpanompon'Andriamanitra ihany, demony no mitoetra ao amin'ny sampinareo, ary mandidy azy ireo aho hivoaka". Dia nivoaka tamin'ny sary vaky nitresaka ny demony. Tezitra ny vahoaka ka nirohotra nanenjika ireto Apôstôly ka namono azy ireo. I Simon sy i Jude moa dia nankalaza an'Andriamanitra sy nivavaka ho an'ireo mpamono azy nandritra izany rehetra izany.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...