♦ Mahantra amoron'ny harena ny ankamaroan'ny Malagasy. Olom-bitsy koa no misitraka ny fitrandrahana ireo harena an-kibon'ny tany, izay hihazakazahan'ny firenena mpitady tombotsoa, hoy ny fanambaran'ny "Justice et Paix"... ♦ Miseho lany indray ny tsy fitovian-kevitra eo anivon'ny samy fiaraha-monim-pirenena manoloana ny fifidianana ireo mpikambana ao amin'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona (CNIDH)... ♦ Hisokatra ho an'ny besinimaro manomboka anio zoma eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny "Andron'ny seha-pamokarana eto an-toerana"...
16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.
♦ Namoaka hafatra ny "Justice et Paix" eto Madagasikara, androany. Misongadina amin'izany fa mahantra ny ankamaroan'ny Malagasy, nefa ahitàna otrikarena maro i Madagasiara... ♦ Mandeha ny resaka eny Tsimbazaza momba ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ; solombavambahoaka maromaro, mpanohana ny fitondrana no voalaza fa mikononkonona izany...♦ Natao androany ny fifidianana ny solontenan'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CNIDH. Nisy sasantsasany amin'izy ireo no nilaza fa nametraka fitoriana satria tsy nanara-dalàna ny fifidianana... ♦Nahafatesana olona 2 sahady ny fiandohan'ny vanim-potoanan'ny doro ala sy tanety any Canada...
♦Tokony hamafisina ny fampitàna ny tantaram-pirenena amin'ny taranaka faramandimby. Mampalahelo hoy Profesora Ralison Roger fa maty momoka hatrany ny ankamaron'ny tolom-bahoaka nisy teto Madagasikara... ♦ Hamafisina ny ady atao amin'ny valala eto Madagasikara. Mila mampirindra ny asa atao ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, miaraka amin'ny FAO sy ny IFVM araky ny nivoitra nandritra ny filan-kevitry ny Ministra natao tany Toliara, omaly... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny herisetra nisesisesy tato ho ato nahazo ny ankizy ny Firaisamonim-pirenena miaro ny ankizy. Tandodomin-doza ny zanakao hoy izy ireo ka Andao hihetsika...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco