• Filana voa tsy ary sy filana kisa ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ireo Ben'ny Tanana tsy lanim-bahoaka tamin'ny fomba demokratika, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Vatomandry... • Hanamora ireo dinika ara-panjakana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'i Madagasikara sy i Japon ny AEMAJA... • Manamafy ny fahaiza-manao eo amin'ny fampianarana, ireo mpampianatra miisa 134 avy amin'ny sekoly katolika, ao amin'ny Diosezin'i Mahajanga...
Ny fianakaviana dia antso sy fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra, toerana voalohany itomboan’ny fitiavana sy ny fanantenana. Toy ny zaridaina, mila fikarakarana sy fitiavana ary faharetana ny fiainam-pianakaviana mba hahafahana miaina sy manome aina vaovao ho an’ny tsirairay. Amin’ny alalan’ny Sakramenta, indrindra ny Mariazy sy ny Eokaristia, dia omban’Andriamanitra sy ampaherezina ny mpivady sy ny fianakaviana. Ankehitriny dia antsoina isika hikarakara sy hanatsara ny fifandraisana, ny fihavanana ary ny fahamasinana ao anatin’ny fianakaviana... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Fanamby lehibe ny fampiasana ny saina voatr'olombelona na ny “Intelligence artificielle” amin'ny tontolon'ny fikarohana, saingy mila fahamalinana, hoy ny Talen'ny Oniversite U-Magis eny Amparibe... • Nankatoavin'ireo mpikambana ao amin'ny fikambanana ara-toekarena AEMAJA, ny hamadihana ny fikambanana ho Antenimieran'ny Varotra Madagasikara Japon... • Nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona sivy voarohirohy tamin'ny famonoana ilay tovolahy antsoina hoe Faneva, tany Tsiroanomandidy...
11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco