Mpisorona manjaka ny kristianina, ary Kristy no mpisorombe, mpisorona ho an'Andriamanitra Rainy. Ny vita batemy dia voahasina ho tempolin'ny Fanahy Masina sy ho mpisorona masina mba hanolotra fanatitra ary mba hanambarana ny fahefan'ny naniraka azy hiala amin'ny haizina ka handeha any amin'ny fahazavana. Ny mpianatr'i Kristy rehetra dia vavolombelon'i Kristy eran-tany... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Mafampana ny tsy fandriam-pahalemana any Toamasina. Lehilahy iray 23 taona, maty noho ny tsatoka antsy miisa telo nihatra taminy... • Ilaina ny fifampidinihana eo amin'ny mpitatitra sy ny fanjakana, mba hisorohana ny fampakarana saran-dalana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... • Tsy manana sora-bola manokana entina hanampiana ireo traboina ny Solombavam-bahoaka, fa anjara andraikitry ny fahefana mpanatanteraka izany, hoy ny Solombavam-bahoka, Jean Jacques Rabenirina...

  • Tanterahina ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ny tolak'andro izao ny hetsika ara-toe-karena "Forum Club"...
  • Niantoka ny 21,30% tamin'ny hari-karena faove teto Madagasikara ny taona 2022 ny tontolon'ny fambolena, tanterahina nanomboka tamin'ity herinandro ity ary aharitra 1 volana ny fanadihadiana isan-taona ho an'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana taona 2024...
  • Nametra-pialana faobe ireo mpikambana anatin'ny kômity manokana tokony hikarakara ny fifidianana izay ho filohan'ny Oniversite an'Antananarivo. Nahemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra araka izany ny fifidianana izay tokony hotanterahina amin'ity volana ity...
  • Natokana ho an'ny fianakaviana misara-bazana ny fangataham-bavaky ny Papa François amin'ity volana ity...

Ny fampandrosoana dia mivelatra amin'ny sehatra maro, miainga amin'ny tsirairay, ny faritra, ny firenena. Ireo fototry ny fampandrosoana afahana mivoatra : ara-batana (hery sy fahasalamana), ara-tsaina, ara-po. Manana zo hiato kely hanao jeri-todika, handinika ny tokony hatao ho fampandrosoana ny tena sy ny ankohonana. Ny vehivavy dia afaka mitarika amin'ny fampandrosoana sy efa zatra mindrindra asa...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...