♦ Fanakorontanana ara-politika, hikasàna hanonganam-panjakàna no ao ambadiky ny hetsika tany Toliara hoy ny fanambaran'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, omaly... ♦ Tsy mankasitraka ny hahatongavan'ny filoha frantsay eto Madagasikara ny Cellule de crise " Diovy i Madagasikara". Mety hanao hetsika hanoherana izany izy ireo... ♦ Efa misy fidinany kely ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo ankehitriny. Mihena 200 ka hatramin'ny 500Ariary isaky ny kilao izany, ho an'ireo karazam-bary vao vokarina eto an-toerana... ♦Ahiana handamoka indray ny fampitsaharana ny ady any Ukraine...
08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.
Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Filoha Frantsay ny fitsidihana eny amin'ny Rovan'i Madagasikara... • Tsy mankasitraka ny hahatongavan'ny Filoha Frantsay eto Madagasikara, ny Cellule de Crise Diovy i Madagasikara... • Mikasa ny hikarakara fikaonan-doha hanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara indray ny Vovonana Vonjeo ny Fampianarana...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco