Boky Ohabolana (Ohab. 21, 1-6. 10-13)
Rano mandeha eo an-tanan’ny Tompo ny fon’ny mpanjaka,
ka atongilany amin’izay rehetra tiany.
Mahitsy eo imason’ny olona ny lalany rehetra,
nefa ny Tompo ihany no mandanja ny fo.
Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny,
no tsara eo imason’ny Tompo mihoatra noho ny sorona.
Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona:
fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.
Ny fikasan’ny olona mazoto, ahazoan-karena be;
fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.
Ny rakitra azon’ny lela mandainga,
dia rehareha mihelina ho an’olona mila faty.
Maniry ny ratsy ny fanahin’ny ratsy fanahy,
ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy.
Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina,
ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry.
Dinihin’ny marina ny tranon’ny ratsy fanahy;
Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin’ny loza.
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra,
dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 1 sy 27. 30 sy 34. 35 sy 44
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalan’ny Tompo.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho,
mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Ny lalan’ny fahamarinana no nofidìko;
ny satanao tsy hadinoiko.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho:
fa io no hafinaretako.
Izaho mitandrina ny Lalànao lalandava,
ka ho mandrakizay an-taranoana.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)
Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:
“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”
Dia novaliany hoe:
“Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Ohabolana (Ohab. 3, 27-34)
Anaka, aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany,
raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
Aza manao amin’ny namanao hoe:
“Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome”,
raha azonao atao ny manome eo no ho eo.
Aza misaina hanisy ratsy ny namanao,
rahefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.
Aza mifanditra foana aman’olona,
raha tsy nahavita ratsy taminao izy.
Aza mialona izay olona mpanao an-keriny,
na mifidy izay lalana ombany kely akory;
satria halan’ny Tompo ny olon-dratsy fanahy,
fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.
Ny ozon’ny Tompo dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy;
fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.
Mananihany izay mpananihany Izy;
ary manome fahasoavana izay manetry tena.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5
Dia izay mizotra tsy aman-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-po,
tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana,
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 2, 12. 17-20)
Izao no holazain’ny tsy mpino:
Ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika, manìny antsika amin’ny fandikana ny lalàna,
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarana antsika.
Aoka hozahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialàna amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia harovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 53, 3-4. 5. 6 sy 8
Vonjeo amin’ny Anaranao aho, Andriamanitra!
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko,
mampandria sofina amin’ny teniko.
Mpiavonavona no mitsangan-kamely,
olon-dozabe no mitady ny aina:
izay mba hihevitra an’Andriamanitra
tsy ao an-tsainy velively.
Indro Andriamanitra nanampy ahy
ny Tompo niahy ny fanahiko.
Koa tonga aho hanolotra sorona amin’ny hazavam-ponao.
Eny, ry Tompo, tonga aho hidera ny hasoan’ny Anaranao.
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 3, 16 — 4, 3)
Ry kristianina havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana,
dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha,
ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana voka-tsoa,
tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo?
Moa tsy avy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo;
mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana;
mifanditra sy miady ianareo;
ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka,
dia ny hahazo izay hiaranan’ny filandratsinareo;
ka tsy mahazo ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:
“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona,
dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy
raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany”.
Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:
“Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”.
Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:
“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako,
dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 15, 12-20)
Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy,
ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan-ko velona?
Raha tsy misy ny fitsanganan-ko velona, na dia i Kristy aza tsy nitsangan-ko velona;
ary raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy,
dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo!
Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga
ny amin’Andriamanitra ho nanangana an’i Kristy ho velona,
nefa tsy natsangany Izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty.
Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona raha tsy mitsangana ny maty.
Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo;
mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.
Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra,
raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy;
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 16, 1. 6-7. 8b sy 15
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ataovy re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo
an’izay mifefy amin’ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho,
afeno ao amin’ny aloky ny elatrao.
Izaho, noho ny fahamarinako, hibanjina ny Tavanao,
hivoky amin’ny Endrikao raha mifoha.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy
sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco