Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 6, 10-20)

Raiso ny fiadian’Andriamanitra, dia hijoro tsara ianareo.

Ry kristianina havana,
mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra,
dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny demony akory ianareo.
Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika,
fa amin’ny fifehezana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao,
amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra,
mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy,
dia hijoro tsara ianareo rahefa niala nenina.
Aza miraika, fa sikino fahamarinana ny andilanareo,
tafio ny rariny ho fiarovan-tratra,
kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo;
fanampin’ireo rehetra ireo,
dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìka afo rehetra alefan’ilay Ratsy.
Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha,
ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra,
amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra,
sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana,
hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran’ny Evanjely,
(izay anaovako ny raharahan’ny ambasadaoro eo am-pigadrana)
dia hitory azy tsy amin-tahotra araka izay mety hataoko aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10

Isaorana ny Tompo, Vatolampiko!

Isaorana
ny Tompo Vatolampiko,
Ilay mampianatra ny tanako hamely;
ny sandriko hiady.

Ilay Fialofako sy toera-mafy ho ahy,
fiarovana avo ho ahy sy mpanafaka ahy!
Ilay ampinga sy aroko,
mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!

Andriamanitra ô! hira vao no hiraiko aminao!
Valiha tory folo no iantsàko Anao!
Ianao ilay manome fandresena ny mpanjaka,
sy manafaka an’i Davida mpanomponao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)

Tsy mety raha mpaminany ka dia vonoina any ivelan’i Jerosalema.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe:

“Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina.”

Dia hoy Izy tamin’ireo:

“Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe:
Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso,
fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko.
Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso;
satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema,
izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao,
impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao
tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo!
Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe:
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...