Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 8, 1b-7. 11-13)
Ry kristianina havana,
ny fahalalana mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso.
Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra,
dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy.
Fa raha misy tia an’Andriamanitra kosa dia fantany io.
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy,
dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao,
ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
Na dia maro aza no antsoina hoe Andriamanitra,
na any an-danitra, na etý an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra sy Tompo maro),
iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika;
iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra,
fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany,
ka nony mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy,
dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy.
Ka very ny malemy noho ny fahalalanao, dia ny rahalahy nahafoizan’i Kristy ny Ainy.
Ary raha manota amin’ny rahalahinao toa izany ianao, sy manimba ny kônsiansiny mbola malemy,
dia manota amin’i Kristy.
Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko,
dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny rahalahiko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 1-3. 13-14. 23-24
Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra.
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra dia tsinjonao ny hevitro.
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ianao no nahary tongotra aman-tanana,
sy Mpiaro hatrany an-kibon’Ineny.
Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao!
Eny, mampitolagaga ny asanao!
Fantatrao hatrizay ny fanahiko;
tsy niafina taminao ny tenako.
Diniho aho, ry Andriamanitra, fantaro ny foko!
Zahao toetra aho! Fantaro eritreritra!
Jereo sao misy lala-mamarina ato amiko,
dia tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 7, 25-31)
Ry kristianina havana,
ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho,
fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo
mba ho azo itokiana.
Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo;
eny, tsara amin’ny olona ny mitoetra toy izao ihany.
Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana.
Tsy manana va ianao? Aza mitady vady.
Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza,
tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza,
saingy ho zoim-pahoriana amin’ny nofo izy ireny,
ka irìko tsy ho voan’izany ianareo.
Izao no hevitro, ry kristianina havana:
fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao
aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana;
ny mitomany ho toy ny tsy mitomany;
ny mifaly ho toy ny tsy mifaly;
ny mividy ho toy ny tsy manana;
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra;
fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 44, 11-12. 14-15. 16-17
Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina:
hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao.
Telin’ny Mpanjaka ny bikanao;
izy no tomponao.
Ilay zanakavavina Mpanjaka mamindra,
heni-boninahitra fatratra,
amim-pitafiana mifaham-bolamena,
avy ao an’efitranony voaravaka.
Entina eo amin’ny Mpanjaka izy,
otronin’ireo zazavavy namany,
izay mandroso an-kafaliana sy haravoana,
miditra ao an-dapan’ny Mpanjaka.
Ny zanakao
no handimby ny Razanao,
ka hataonao mpifehy
amin’ny tany tontolo.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe:
“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy
ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo,
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo.
Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo:
Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo,
fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 6, 1-11)
Ry kristianina havana, hay aminareo dia misy manana ady amin’ny namany,
ka sahy mangataka fitsarana amin’ny olona tsy marina,
fa tsy amin’ny olona masina!
Tsy fantatrareo va fa ny olo-masina dia hitsara izao tontolo izao?
Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo,
dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo?
Tsy fantatrareo va fa hitsara ny Anjely aza isika?
Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
Koa raha ady momba ny zavatr’izao fiainana izao no ilanareo fitsarana,
na izay farany ambany amin’ny Eglizy aza ve
tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin’izany?
Hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Hay dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza,
mba afa-mamboatra ny adin’ny rahalahiny?
Fa rahalahy ka hanana ady amin-drahalahy,
sady eo anatrehan’ny mpitsara tsy mpino indray!
Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin’ny namanareo,
satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny?
Tsy aleo ve mandefitra ny ambakaina aza?
Kanjo inona, ianareo indray no manao ny tsy rariny, ianareo indray no manambaka,
nefa tsy iza ireny fa rahalahinareo ihany!
Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?
Aza diso hevitra ianareo,
fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona,
na mpanao asam-pijangajangana amin’ny tenany samy irery,
na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra na kahihitra,
na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny,
dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo
saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina
tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny Voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra,
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka,
ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy
ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo,
izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i Andre rahalahiny,
i Jakôba sy i Joany,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Matio sy i Tômà,
i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,
ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka,
izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny:
dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto,
ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra,
satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 5, 1-8)
Ry Kristianina havana, re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo,
sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny jentily aza,
dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!
Izany ve ka ianareo indray no miavonavona e!
ny tenanareo tsy malahelo amin’izany akory;
ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa!
Izaho, na dia tsy teo aminareo ara-batana aza, dia teo am-panahy,
sy efa nitsara sahady an’ilay nanao izany zavatra izany,
toy ny teo aminareo ihany.
Koa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika
eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo,
omban’ny herin’i Jesoa Tompontsika:
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany,
fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý!
Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana
dia mampibonaka ny vongan-dafarinina manontolo?
Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo,
sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo,
satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika.
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety,
tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po,
fa amin’ny mofo tsy misy lalivay,
dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 5, 5-6. 7. 12
Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;
ny olon-dratsy tsy monina ao aminao;
ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao;
ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga
levoninao;
ny tia ra, ny mpamitaka,
halan’ny Tompo!
Izay rehetra mifefy aminao kosa, hifaly;
izay arovanao, hihoby mandrakizay.
Eny, hiravo aminao
izay tia ny Anaranao!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)
Indray sabata hafa koa i Jesoa,
dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia,
mba hahitany antony hiampangana Azy.
Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo,
ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana:
“Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.”
Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Manontany anareo Aho,
inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy;
ny mamonjy aina sa ny manala aina?”
Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo
ka hoy Izy tamin-dralehilahy:
“Ahinjiro ny tananao.”
Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana,
ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco