Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 7, 25-31)

Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao: Aza mitady vady.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho,
fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo
mba ho azo itokiana.
Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo;
eny, tsara amin’ny olona ny mitoetra toy izao ihany.
Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana.
Tsy manana va ianao? Aza mitady vady.
Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza,
tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza,
saingy ho zoim-pahoriana amin’ny nofo izy ireny,
ka irìko tsy ho voan’izany ianareo.
Izao no hevitro, ry kristianina havana:
fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao
aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana;
ny mitomany ho toy ny tsy mitomany;
ny mifaly ho toy ny tsy mifaly;
ny mividy ho toy ny tsy manana;
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra;
fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 44, 11-12. 14-15. 16-17

Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina.

Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina:
hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao.
Telin’ny Mpanjaka ny bikanao;
izy no tomponao.

Ilay zanakavavina Mpanjaka mamindra,
heni-boninahitra fatratra,
amim-pitafiana mifaham-bolamena,
avy ao an’efitranony voaravaka.

Entina eo amin’ny Mpanjaka izy,
otronin’ireo zazavavy namany,
izay mandroso an-kafaliana sy haravoana,
miditra ao an-dapan’ny Mpanjaka.

Ny zanakao
no handimby ny Razanao,
ka hataonao mpifehy
amin’ny tany tontolo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)

Sambatra ianareo mahantra. Loza ho anareo kosa ry mpanan-karena.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe:

“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy
ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo,
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.

Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo.
Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo:
Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo,
fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...