Fanombohan’ny Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 1, 1-4 ; 2, 1-5a)
Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra azy,
mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana
sy nanirahany anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;
ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy,
araka ny zavatra rehetra hitany.
Sambatra izay mamaky sy ny mihano ny tenin’ity faminaniana ity
ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.
Mamangy ny Eglizy fito any Azia izaho, Joany:
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana,
avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy;
avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianana.
Manoratra ho an’ny anjelin’ny Eglizin’i Efezy:
Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana,
sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:
Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao,
mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy;
fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy,
ka hitanao fa mpandainga ireny;
ary manana fandeferana ianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka.
Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin’ny fitiavana voalohany ianao.
Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha,
ka miverena amin’ny asanao voalohany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa,
dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe:
“Inona izany?”
Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
Dia niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!”
Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy.
Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Ary hoy izy:
“Mba hahiratra aho, Tompoko.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.”
Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra.
Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 12, 1-3)
Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony,
izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao,
ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy,
hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany.
Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao,
dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.
Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha:
ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay;
fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.
Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra;
ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana,
ho tahaka ny kintana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 15, 5 sy 8 .9-10. 11
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
Ianao no rakitro mateza.
Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana eo anoloanao,
hafinaretan-dava eo ankavananao.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-14. 18)
Ry kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny,
fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy;
ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 24-32)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe;
“Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe,
ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,
ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.
Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra,
hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
Alaovy ho fanoharana ny aviavy.
Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina,
dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.
Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka it
mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala,
na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza,
afa-tsy ny Ray ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy Fahatelon’i Masindahy Joany Apôstôly (3 Jo. and. 5-8)
Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin’ny rahalahy,
fa indrindra amin’ireo vahiny;
ka nambaran’izy ireo teo anatrehan’ny Eglizy ny fitiavanao namana.
Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an’Andriamanitra ianao,
amin’ny fandehanan’izy ireo;
fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan’izy ireo,
ka tsy nandray na inona na inona tamin’ny jentily izy.
Tsy maintsy manohana ny olona toa ireny isika,
mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany
momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy:
“Tany amin’ny tanàna anankiray
nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona.
Ary tao amin’izany tanàna izany koa,
dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe:
‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’;
fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy.
Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo:
‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona,
dia manahirana ahy ity mpitondratena ity,
ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’
Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny
izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo.
Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona,
moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany Izy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy Faharoan’i Masindahy Joany Apôstôly (2 Jo. and. 4-9)
Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana,
araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
Ary ankehitriny, mihanta aminao aho, tompokovavy,
— tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany —
aoka hifankatia isika.
Ny fitiavana dia izao:
ny mandeha araka ny didiny;
ary ny didiny araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao:
ny mandeha amin’ny fitiavana.
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao,
izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy;
ireny no mpamitaka sy antikristy.
Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay,
fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy
dia tsy manana an’Andriamanitra;
fa izay mitoetra ao amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 1-2. 10-11. 17-18
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny lalan’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao!
Raketiko ato am-poko ny didinao,
mba tsy hanotako aminao.
Asio soa ity izaho mpanomponao;
ka ho velona sy hitandrina ny teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia. Aletoia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina, ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.”
Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:
“Ho aiza Tompoko?”
Ary hoy Izy taminy:
“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco