Vakiteny voalohany

Taratasy Faharoan’i Masindahy Joany Apôstôly (2 Jo. and. 4-9)

Izay mitoetra amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana,
araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
Ary ankehitriny, mihanta aminao aho, tompokovavy,
— tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany —
aoka hifankatia isika.
Ny fitiavana dia izao:
ny mandeha araka ny didiny;
ary ny didiny araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao:
ny mandeha amin’ny fitiavana.
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao,
izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy;
ireny no mpamitaka sy antikristy.
Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay,
fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy
dia tsy manana an’Andriamanitra;
fa izay mitoetra ao amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 1-2. 10-11. 17-18

Sambatra izay mizotra amin’ny lalan’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny lalan’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!

Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao!
Raketiko ato am-poko ny didinao,
mba tsy hanotako aminao.

Asio soa ity izaho mpanomponao;
ka ho velona sy hitandrina ny teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Evanjely

Aleloia. Aletoia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

Toy izany koa no hiseho amin’ny andron’ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.

Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina, ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.”

Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ho aiza Tompoko?”

Ary hoy Izy taminy:

“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...