Bokin’i Nahoma Mpaminany (Nahom. 2, 1. 3 ; 3, 1-3. 6-7)
Indro, eny an-tendrombohitra,
ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana.
Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao!
Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.
Fa ny Tompo nampody ny voninahitr’i Jakôba? mbamin’ny voninahitr’i Israely,
satria norobain’ny mpandroba izy sady nosimbany ny fotoboalobony.
Loza ho an’i Niniva, ilay tanàna mpandatsa-dra;
feno fanambakana amam-pahasiahana; tsy mitsahatra amin’ny halatra!
Injany re ny firivirivin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia,
ny katrokatroky ny soavaly ny fiantraitraiky ny sarety!
Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra,
lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa...
Voafingampingan’ny faty ny olona!
Hotsipazako loto ianao sy halàko baraka, sy hataoko fijerin’ny olona ianao.
Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe:
“Rava i Niniva!”
Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Det. 32, 35b-36a. 39abde. 41
Antomotra ny andro hahitany loza,
ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany,
ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.
Jereo amin’izao, fa Izaho, dia Izaho ihany no izy;
ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko;
Izaho no mahafaty sy mahavelona;
Izaho no naharatra, ary Izaho koa no hahasitrana.
Rahefa hanasa ny sabatro manelatselatra
sy handray ny fitsarana ny tanako,
dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko,
ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha misy ta-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.
Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana,
raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 31-34)
Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo —,
hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany,
tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo —:
Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr’izy ireo aho, ary izy ireo ho oloko.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe:
“Mahalalà ny Tompo!”
Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe.
Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 50, 12-13. 14-15. 18-19
Fo madio vaovao no angatahiko
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alana aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo sorona dorana.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-23)
Tamin’izany andro izany,
tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo:
“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.”
Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona,
fa Izy no Kristy.
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe:
“Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!”
Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:
“Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 1-7)
“Amin’izany andro izany
— teny marin’ny Tompo, —
Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin’i Israely,
ary izy ireo ho oloko.”
Izao no lazain’ny Tompo:
“Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra;
te-hanome fitsaharana an’i Israely Aho.”
Niseho tamiko tany lavitra tany ny Tompo.
“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao;
izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely;
hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.
Hamboly ny tanimboaloboko indray ianao any an-tendrombohitr’i Samaria:
izay mamboly, hamboly ka hioty.
Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe:
‘Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna, ho any amin’ny Tompo Andriamanitsika!’
Fa izao no lazain’ny Tompo:
‘Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba,
manaova firavoravoana noho ny amin’ilay lohan’ny firenena;
ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana ka lazao hoe:
‘Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Jer. 31, 10. 11-12ab. 13
Henoy ny Tenin’ny Tompo, ry firenena,
ka ambarao an’ireo Nosy any lavitra
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona,
ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny!
Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,
sy hanavotra ny amin’ny tanan’ny mahery noho izy:
ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo eny amin’ny havoan’i Siôna,
hankafy ny zava-tsoan’ny Tompo toy ny vary sy divay, diloilo, zanak’omby aman’ondry!
Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana!
Ny fisaonany hampodìko ho haravoana; hafaliana no hatambiko ny fahoriany!
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany
niantsoantso mafy nanao hoe:
“Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”;
fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:
“Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.”
Ary hoy ny navaliny azy:
“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.”
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Nefa novaliany hoe:
“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.”
Ary hoy ravehivavy:
“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.”
Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 28, 1-17)
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà,
tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy:
niteny tamiko teo an-tranon’ny Tompo,
teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Ananiasa, mpaminany,
zanak’i Azôra, avy any Gabaona, nanao hoe:
“Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika, Andriamanitr’i Israely:
Efa notapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.
Roa taona sisa dia haveriko amin’ity fitoerana ity
ny fanaka rehetra tao an-tranon’ny Tompo nalain’i Nabokodônôzôra, mpanjakan’i Babilôna,
avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.
Ary hampodiako amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa,
zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna
— teny marin’ny Tompo, —
fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.”
Ary i Jeremia mpaminany namaly an’i Ananiasa, mpaminany,
teo anatrehan’ny mpisorona sy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, izay tao an-tranon’ny Tompo;
ka hoy i Jeremia mpaminany:
“Amen! Hataon’ny Tompo anie izany!
Hotanterahin’ny Tompo anie ny teny vao avy novinaninao,
amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny Tompo mbamin’ny babo rehetra,
ho amin’ity fitoerana ity indray.
Kanefa kosa henoy izao teny holazaiko eto ho ren’ny sofinao sy ny sofin’ny vahoaka rehetra izao:
Ireo mpaminany teo alohanao sy talohako, hatramin’ny andro ela,
dia efa naminany ady sy loza ary pesta,
ho amin’ny tany maro amam-panjakana lehibe.
Ary izay mpaminany maminany fiadanana kosa,
dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany
no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’ny Tompo marina tokoa.”
Tamin’izay nalain’i Ananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
Sady hoy i Ananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra:
“Izao no lazain’ny Tompo:
Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokôdônôzôra, mpanjakan’i Babilôna,
hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra, raha afaka roa taona.”
Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.
Nony efa notapahin’i Ananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany,
dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehana ianao, milazà amin’i Ananiasa hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Jioga hazo no notapahinao, fa jioga vy kosa no nataonao hasolo azy.
Satria izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Asiako jioga vy ny vozon’ireo firenena rehetra ireo,
mba hanekeny an’i Nabokôdônôzôra, ka dia hanaiky azy izy ireo;
efa nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha.”
Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Ananiasa mpaminany:
“Henoy, ry Ananiasa:
Tsy nirahin’ny Tompo ianao, ka nataonao izay itokian’ity vahoaka ity amin’ny lainga.
Koa izao no lazain’ny Tompo:
Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao,
ka amin’ity taona ity ihany, dia ho faty ianao,
satria fiodinana amin’ny Tompo no notorìnao.”
Dia maty tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny volana fahafito,
i Ananiasa mpaminany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 29 sy 43. 79 sy 80. 95 sy 102
Halaviro ahy ny lalan’ny lainga;
ny lalànao no aoka hanenika ahy!
Aza alàna amin’ny vavako ny tenim-pahamarinanao:
fa ny satanao no antenaiko!
Aoka hitodika amiko izay matahotra Anao,
sy mahalala ny fanambarànao!
Ho amin’ny fitsipikao anie ny foko tontolo!
tsy ho azon-kenatra aho!
Mikendry hamely ahy ny olon-dratsy:
fa ny fanambaranao no hadihadìko!
Tsy mba miala amin’ny satanao aho;
eny, Ianao tokoa no mampianatra ahy!
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)
Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa,
dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra
fa rahefa nahare izany ny vahoaka,
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka,
ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro:
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.”
Dia hoy ireo taminy:
“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay.”
“Ento atý amiko izany”, hoy Izy taminy.
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)
Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka
dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:
“Matoatoa io”,
sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:
“Matokia,
fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”
Namaly i Piera nanao hoe:
“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”
Dia hoy Izy hoe:
“Avia.”
Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy nanao hoe:
“Tompo ô! vonjeo aho.”
Niaraka tamin’izay, naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:
“Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?”
Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe:
“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”
Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco