Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 4, 22-24. 26-27. 31 — 5, 1)

Tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka.

Ry kristianina havana, voasoratra fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama,
ny iray tamin’ny mpanompovavy, ary ny iray tamin’ny olona afaka.
Ilay zanaky ny mpanompovavy, nateraka araka ny nofo;
ary ilay zanak’olona afaka, araka ny fampanantenana.
Ohatra amin’ny fanekena roa izy roa vavy ireo:
ny iray moa, avy amin’ny tendrombohitr’i Sinaï,
miteraka ho amin’ny fanandevozana, dia i Agara izany.
Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba mpanompo;
fa voasoratra hoe:

“Mifalia, ry momba, dia ianao izay tsy niteraka!
Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana,
ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza!
Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an’izay manambady!”

Koa amin’izany, ry kristianina havana,
tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, koa mijoroa amin’izany,
fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-7

Ankalazaina ny Anaran’Andriamanitra.

Derao ry mpanompon’ny Tompo,
derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.

Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena,
ny lazany avo dia avo.

Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Miondrika Izy mijery na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory, esoriny avy eo ny mahantra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:

“Taranaka ratsy ity taranaka ity;
mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’ity taranaka ity.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity
ny mpanjakavavy avy any Atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity
ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 17, 7-11)

Nataoko tsy misy vidiny ny harena miolotra amin’ny fahendrena.

Nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina;
niantso aho, ka tonga tamiko ny Fanahy Fahendrena.
Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra;
ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin’izany.
Tsy nampitovìko taminy, ny vato saro-bidy indrindra;
fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin’izao tontolo izao miolotra aminy,
ary tsy maintsy ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy.
Tiako noho ny hasalamana aman-katsaran-tarehy izy;
naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana,
satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony.
Tonga tamiko miaraka aminy ny soa rehetra;
ary harena tsy hita lany, no eo an-tanany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 89, 12-13. 14-15. 16-17

Hetsaho amin’ny hatsaram-ponao izahay ka hihoby sy hifaly.

Asehoy ny tokony ho fanisanay ny andronay,
dia mba hisy fahendrena ao am-ponay.
Miverena, Tompo ô! — Mandra-pahoviana?
Aoka Ianao hilefaka amin’ny olonao!

Hetsaho faingana amin’ny fitiavanao izahay,
ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa.
Araka ny taona sy ny andro nanasazianao
no aoka hampifalianao anay.

Asehoy ny mpanomponao ny asanao;
ny voninahitrao asehoy ny zanany.
Tongava ao aminay ny hamamian’ny Tompo!
Hamafiso ny asan’ny tananao!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 12-13)

Fantatry ny tenin’Andriamanitra mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Ry kristianina havana, velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika,
ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-30)

Amidio ny fanananao rehetra, ary avia manaraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany,
ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no ataonao hoe tsara aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
aza manambaka,
manajà ny rainao aman-dreninao”.

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Mpampianatra ô,
hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany”.

Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe:

“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy”.

Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”

Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:

“Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”.

Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza àry no mety ho voavonjy?”

Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:

“Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra”.

Ary hoy i Piera taminy:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao”.

Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity,
dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 3, 22-29)

Efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ianareo rehetra.

Ry kristianina havana, nohidian’ny Soratra Masina tao amin’ny fahotana izao rehetra izao,
mba ho ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahazoan’izay mino, ny fampanantenana.
Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan’ny Lalàna isika,
mba ho amin’ny finoana izay efa haseho atý aoriana.
Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaiza nitarika antsika ho amin’i Kristy,
mba hohamarinina amin’ny finoana isika.
Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika;
fa efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana eo amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.
Satria ianareo rehetra natao Batemy ho an’i Kristy, dia nitafy an’i Kristy avokoa.
Ka tsy misy Jody na Jentily intsony;
tsy misy mpanompo na tsy mpanompo;
tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.
Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy,
ka mpandova araka ny fampanantenana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 2-3. 4-5. 6-7

Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny.

Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany Masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!

Katsaho ny Tompo sy ny heriny!
Tadiavo lalandava ny tavany!
Tsarovy ny asa mahagaga nataony,
ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)

Sambatra ny kibo izay nitondra Anao! Fa vao mainka sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Sambatra ny kibo izay nitondra Anao, sy ny nono izay ninonoanao!” —

“Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa,
izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 3, 7-14)

Izay amin’ny finoana dia miara-kasoavina amin’i Abrahama mpino.

Ry kristianina havana, fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.
Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily,
ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe:
‘Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.’
Dia naira-kasoavina amin’i Abrahama mpino amin’izany, izay amin’ny finoana.
Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona,
araka ny voasoratra hoe:
‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra
ao amin’ny bokin’ny Lalàna.’
Sady hita miharihary raha ny hoe
tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra,
satria amin’ny finoana no hiveloman’ny marina.
Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana,
fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy.
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy,
fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe:
‘Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo’,
mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa,
ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama;
dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6

Hotsarovany mandrakizay ny Fanekeny.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo,
am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be!
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Voninahitra sy Fiamboniana no vitan’ny Tompo;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.

Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny Fanekeny mandrakizay.
Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy,
fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)

Raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:

“I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony.”

Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:

“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:
‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’
Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...