Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 5-6. 8-13)

Misy telo no manambara: dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra.

Ry malala, iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no Ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Fa misy telo no manambara, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika,
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaran’Andriamanitra, dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny;
fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra,
satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.
Ary izany fanambaràna izany dia izao:
nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika,
ary ao amin’ny Zanany ihany izany fiainana izany.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana;
fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo,
fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo
izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna:
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao!

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto!
Mandefa ny didiny ho ety an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 12-16)

Mety Aho, madiova ianao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha tao amin’ny tanàna anankiray,
dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy,
sy niankohoka nitaraina taminy nanao hoe:

“Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.”

Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe:

“Mety Aho, madiova ianao”,

ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy.
Ary hoy Izy:

“Mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ka manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny olona.”

Fa mainka niely ny lazany,
ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny;
Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 19 — 5, 4)

Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Ry malala,
aoka ho tia an’Andriamanitra isika fa Izy no efa tia antsika taloha.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny,
dia mpandainga izy,
satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany,
hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Sady izao no didiny efa azontsika;
izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra, sy ny fitandremana ny didiny.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra,
ary tsy mavesatra ny didiny,
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao,
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 14 sy 15bd. 17

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Izy hanala amin’ny herisetra,
fa ny rany sarobidy tokoa.
Ranombavaka anie homba azy,
rary soa mandritra ny andro.

Ny anarany ankalazaina sy haharitra toy ny masoandro!
Ary indro atao fitahiana
ireo foko manerana an-tany.
Ary izy no ho reharehan’ireo mponin’ny tany tontolo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 14-22a)

Androany no efa tanteraka ny Soratra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray,
ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra.
Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:

“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo
sy ny andron’ny famaliana.”

Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:

“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”

Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 11-18)

Raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra.

Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika,
dia tokony mba hifankatia koa isika.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika,
ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ao aminy.
Ary izao no maha-lavorary ny fitiavana ao amintsika;
hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana,
satria nanahaka Azy tamin’itý fiainana itý.
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary,
satria milaza sazy ny tahotra;
koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 10. 12-13

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Ireo mpanjaka rehetra any Andrefana
dia hanoa ka hanefa ny hetrany;
toy izany ny avy any Atsinanana,
dia hanatona hanolotra hasina.

Izy hanafaka ny malahelo
mitoloko tsy manan-kanampy.
Ny mahantra, ny ory: hovonjeny;
hotsimbininy hatrany ny osa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 45-52)

Hitan’izy ireo nandeha teny ambony rano Izy.

Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa,
dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida,
ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy,
dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.
Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina,
ary i Jesoa irery no teny an-tanety.
Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra,
ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina,
dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy,
ka saika handalo azy.
Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy,
fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.”

Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra,
ka talanjona fatratra izy ireo,
fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin’ny mofo teo
noho ny hadonton’ny fony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-10)

Andriamanitra dia fitiavana.

Ry malala, aoka hifankatia isika,
fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra,
ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra,
satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahitokana ho eo amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenen-drehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Ka ny vohitra hitrotro fiadanana,
ny havoana hivimbina ny hitsiny;
ny mahantra sy ny ory hotsimbininy,
ny mpamoritra kosa hofongorana.

Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana;
ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 34-44)

Teo am-pampitomboana ny mofo dia niseho ho toy ny mpaminany i Jesoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo;
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Ny tany efitra;
ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina
any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.”

Fa izao no navaliny azy ireo:

“Omeonareo hanina izy.”

Ka hoy ireo taminy:

“Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny?”

Ary hoy Izy taminy:

“Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.”

Ary rahefa nozahany, dia hoy izy:

“Mofo dimy sy hazandrano roa.”

Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra
hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo;
ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo.
Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa,
ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano.
Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany
mba harosony eny anoloan’ny olona,
ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa.
Dia nihinana izy rehetra ka voky;
ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany
nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody.
Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...