Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 11-18)
Raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra.
Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika,
dia tokony mba hifankatia koa isika.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika,
ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ao aminy.
Ary izao no maha-lavorary ny fitiavana ao amintsika;
hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana,
satria nanahaka Azy tamin’itý fiainana itý.
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary,
satria milaza sazy ny tahotra;
koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 71, 2. 10. 12-13
Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.
Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Ireo mpanjaka rehetra any Andrefana
dia hanoa ka hanefa ny hetrany;
toy izany ny avy any Atsinanana,
dia hanatona hanolotra hasina.
Izy hanafaka ny malahelo
mitoloko tsy manan-kanampy.
Ny mahantra, ny ory: hovonjeny;
hotsimbininy hatrany ny osa.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 45-52)
Hitan’izy ireo nandeha teny ambony rano Izy.
Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa,
dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida,
ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy,
dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.
Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina,
ary i Jesoa irery no teny an-tanety.
Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra,
ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina,
dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy,
ka saika handalo azy.
Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy,
fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe:
“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.”
Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra,
ka talanjona fatratra izy ireo,
fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin’ny mofo teo
noho ny hadonton’ny fony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.