Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 7-9)

Haveriko eo amin’ny vahoaka ny jamba sy ny mandringa.

Izao no lazain’ny Tompo:
Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba,
manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena;
ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe:
Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely!
Indro Aho mamerina azy, avy any amin’ny tany avaratra;
manangona azy, avy any amin’ny faran’ny tany.
Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa,
ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza;
hanao dia be izy ireo no hiverina aty.
Hiverina amin-dranomaso izy;
ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina;
eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy,
amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy;
satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraîma.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2d-3. 4-5. 6

Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay ka faly moa izahay.

Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!

Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay:
koa akory izany hafalianay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.

Eny, tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 5, 1-6)

Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.

Ry kristianina havana,
rehefa mety ho Mpisorombe ka alaina amin’ny olona,
dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra,
mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota;
sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy,
satria na ny tenany aza mba voan’ny fahalemena ihany koa,
ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany,
toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany,
afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany.
Dia toy izany koa i Kristy,
fa tsy Izy no nanandra-Tena ho Mpisorombe, fa Ilay nanao taminy hoe:

“Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany”;

sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe:

“Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany, dia tonga tao Jerikô,
ary nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izany, dia rafitra niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”.

Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:

“Ry zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”.

Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe:

“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao”.

Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Dia hoy ilay jamba:

“Rabony ô, aoka mba hahiratra aho”.

Ary hoy i Jesoa:

“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.

Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...