Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 6, 1-9)

Aza manompo eo imaso fotsiny fa aoka ho toy ny mpanompon’i Kristy.

Ry zanaka, maneke ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.
Manajà ny ray aman-dreninao,
io no voalohan-didy misy teny fampanantenana dia ny hoe:
mba hahita soa sy ho ela velona ety ambonin’ny tany ianao.
Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo,
fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo, amim-pahatahorana sy fangovitana,
ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena an’i Kristy;
aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona,
fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa;
ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona;
satria fantatrareo marina fa isam-batan’olona, na mpanompo na olona afaka,
dia samy hovalian’Andriamanitra soa, amin’izay soa nataony avy.
Ianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin’izy ireo, ka ajanony ny fandrahonana,
satria fantatrareo fa tsy mba mizaha tavan’olona ilay Tompon’izy ireo
sy Tomponareo any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 10-11. 12-13ab. 13de-14

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fahefanao!

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo manohana izay rehetra ho lavo,
sy mampitraka izay mitanondrika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)

Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.
Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe:

“Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?”

Ka hoy Izy tamin’ny olona:

“Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety;
fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo
ka handondòna ny varavarana hanao hoe:
‘Tompoko, vohay izahay’,
dia hovaliany hoe:
‘Tsy fantatro izay niavianareo.’
Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe:
‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay,
ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’
Fa hovaliany hoe:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo;
mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’
Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify
rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra
i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra,
fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, ary avy any Avaratra sy Atsimo,
hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...