Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 21-33)

Lehibe io zava-miafina io fa mankamin’i Kristy sy ny Eglizy.

Ry kristianina havana, mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo;
fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy no lohan’ny Eglizy
izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy.
Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy
no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra.
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo,
toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy hahafoizany tena ho azy,
mba hanamasina azy rahefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny rano sy ny teny izy,
ka hanolotra azy ho an’ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda,
na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.
Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany;
koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy,
toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy,
satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany isika.
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny,
dia ho nofo iray ihany izy roroa.
Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.
Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany;
ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany!
Mahazo voka-tsoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika!

Ny vadinao:
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao!

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra hiainanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)

Ny voan-tsinapy nambolena tonga hazo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe:

“Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy?
Tahaka ny voan-tsinapy izy izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny,
dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.”

Dia hoy indray Izy:

“Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy,
ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana
mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...