♦ Basy 128 isa indray no tratran'ny miaramila mpampandry tany, teny am-pelatanan'ireo dahalo tamin'ny faritra maro manerana ny nosy... ♦ Velon-taraina ireo mponina eny amin'ny fokontany Firavahana-Fenoarivo fa mivadika nandrevo ny ranon-tany nanamboarana ny lalana... ♦ Nahazo ny fankatoavan'ny OMS ny vaksiny novokarin'ny laboratoara ASTRA-Zeneca, fanefitry ny Coronavirus...
♦ Hamory vahoaka eny Ambohijatovo ireo solombavambahoaka TIM lany tao an-drenivohitra ny sabotsy izao... ♦ Nampiato ny fitokonana ao anatin'ny 72 ora nanomboka omaly ireo mpiasa anatin'ny sendikà "Paramedicaux"... ♦ Miha-mafy ny hery famoretana ataon'ny tafika amin'ireo mpanao fihetsiketsehana any Birmanie...
♦ 25.674.196 ny isan'ny mponina eto Madagsikara raha ny tatitra ofisialy nivoaka androany... ♦ Mikasa ny hanao tatitra amin'ny vahoakan'Antananarivo eny Ambohijatovo ny sabotsy izao ny solombavambahoaka TIM... ♦ Nampiato ny fitokonany ao anatin'ny 72 ora manomboka androany ireo Paramed.
Sabotsy 20 febroary 2021 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32
Zoma 19 febroary — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15
♦ Manomboka miha-mahazo toeranana ny ariary. Isan'ny nahatonga izany ny fampodiana ny vola tamin'ny fanondranana entana tany ivelany... ♦ Hampitomboina 15% hatramin'ny 20% ny teti-bola ho an'ireo ministera efatra misahana ny sosialin'ny mponina... ♦ Malalaka amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ny Dren sy ny Cisco manoloana ny mety ho fisian'ny aretina Coronavirus any an-tsekoly...
Alakamisy 18 febroary 2021 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25
♦ Antenaina fa hahazao famatsiam-bola avy amin'ny FMI, hatrany amin'ny 320 tapitrisa dolara, any amin'ny FEC andiany faharoa isika Malagasy, tao aorian'ny fifampidinihana niarahana tamin'ny iraky ny FMI... ♦ Nampahatsiahy ireo mpisehatra amin'ny onjam-peo, ny amin'ny tokony sy tsy tokony hatao, ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina, nandritra ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Radio...
♦ Fitaovana mahery vaika afaka mampijoro sy mamotika ny radio, hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ HIroso amin'ny fihaonana amin'ireo hery velona eto amin'ny firenena ny CFM... ♦ Efa mandeha ankehitriny ny fandrahonana amin'ny fanapahana karama sy famindran-toerana ho an'ireo Paramed...
Ny feo dia manandanja lehibe amin'ny olombelona, ilaina amin'ny fifaneraserana. Misy kazany roa ny feo : ny "SON" na ny feo mivoakaka amin'ny zavatra rehetra, ny "VOIX" na ny feon'olombelona izay miavaka indrindra. Ny feon'olombelona dia mivoatra ara-boajanahary, misy retsika izay mibaiko ny tadi-peo ka io no mamokatra ny feo. Ilaina kolina ny feo araka izany...
♦ Hankalazaina anio ny andro manerantany ho an'ny radio. Maharaka tsara ny fivoaran'ny fiaraha-monina ny radio, hoy ny UNESCO... ♦ Namotsipotsitra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny famotsorana an'i Herman Rakotomalala ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Nosokafan'ny Filohan'ny repoblika omaly ny tsena mora sy ny kaly tsinjo...
Namotopototra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny fanafahana an'i Hermann Rakotomalala tany Toliara androany ireo Fiaraha-monim-pirenena miisa sivy. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa ny Governoran'Atsimo Andrefana no tao ambadiky ny fitoriana ity Filoha lefitry ny KMF/CNOE ity...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco