Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Farisianina nanao hoe: "Nisy mpanankarena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan'andro. Ary nisy koa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny. Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin'ny latabatr'ilay mpanankarena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra ka nentin'ny anjely tany an-tratran'i Abrahama; dia maty koa ilay mpanankarena ka nalevina. Tao amin'ny fitoeran'ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany, ka niantso izy nanao hoe: 'Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin'itý lelafo itý.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Anaka, tsarovy fa tamin'ny andro niainanao, ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. Sady amin'ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala atý hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atý.' Dia hoy izy: 'Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy ny marina, fandrao tonga amin'itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Manana an'i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an'ireo izy.' Fa hoy izy: 'Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin'ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy.' Fa hoy i Abrahama taminy: 'Raha tsy mihaino an'i Môizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangan-ko velona aza.'"

Tamin’izany andro izany, raha niakatra ho any Jerosalema i Jesoa, dia nalainy mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy ka nilazany hoe: "Indro miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka Azy ho faty, ka hanolotra Azy amin’ny jentily mba hoesoiny sy hokapohiny ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo." Ary tamin’izany nanatona Azy ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: "Inona no irìnao?" Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny Fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinaseo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa hanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanompo anareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’Olona izany: fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe: "Efa mipetraka eo amin’ny ipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo, aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa."

Naneho firaisan-kina namboly hazo tao amin'ny fokontany Ambohimanatrika Kaominina Mahitsy ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny Ivon-toeram-panofanana CEDAR eto amin'ny faritra Analamanga... 

♦ Manentana ny olom-pirenena tsy hamboly korontana fa hanaja ny tany tan-dalàna ny mpitandro filaminana. Hiroso amin'ny fisamborana an'ireo mpanentana roalahy ao amin'ny miara-manonja izy ireo... ♦ Mitaraina ny orinasa madinika sy salatsalany an-jatony misehatra amin'ny fikojakojana ny lalana fa tsy mbola misy hatramin'izao ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena eto Madagasikara... 

Ny fifanohanana sy ny fifankaherezana teo amin'ny kolontsaina malagasy dia tena niainana hatramin'izay fa tsy mba teo imolotra fotsiny. Ny porofon'izany dia ireo ohabolana nambara. Mila ho difotry ny fitaovam-pandrosoana anefa io soatoavina io ka tokony hofohazina hifanentana amin'ny fihevitry ny tanora ankehitriny. Atomboka ao an-tokantrano izany amin'ny fihainoana ny hafa...

Ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra no fomba afahana miala amin' ny fidorohana zava-mahadomelina. (24-02-2021)

♦ Nanazava ny andraikitr'izy ireo momba ny fandikan-dalana ataon'ny olom-pirenena ny mpitarika ny EMMONAT. Mampihatra ny lalana fa tsy miandany na manao pôlitika ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran'izy ireo... ♦ Nanolotra ny antotantaratasy mirakitra ny famotsoran-keloka ho an'ireo misitraka izany teto amin'ny Faritanin'Antananarivo ny CFM...

♦ Azo atao tsara ny mampisambotra ireo olona any ivelany nanao fandikan-dalana, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta na ny samy fitsarana, hoy ny mpitandro ny filaminana na ny EMMONAT androany... ♦ Ny amin'ilay fandorana olana tany Betroka kosa, olona enina no efa voasambotra, ary hiakatra fitsarana tsy ho ela izy ireo...

Sabotsy 27 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

Ny "ecovillage de Madagascar" dia niforona tamin'ny taona 2014, niainga tamin'ny vina : toerana iray honenan'ny olona maromaro, nivoatra ny vina ka lasa niantsehatra tamin'ny fampiofanana "fambolena lovain-jafy. Fampiofanana 04 isan-taona no vitan'ny fikambanana. Ny fambolena lovain-jafy dia manome lanja kokoa ny tany ary mamerina ny tontolo iainana hiaina, miezaka ny tsy hampiasa zavatra manimba tontolo iainana... 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...