Zoma 25 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4

Avy nihaino an’i Jesoa mpampianatra sy mpanao lalana vaovao isika tamin’ny toriteny tany an-tendrombohitra (jereo 5-7), manomboka ny toko faha-8 indray isika androany hatramin’ny faha-9 ka mahita an’i Jesoa mpanasitrana, asehon’i Jesoa izany amin’ny alalan’ireo fahagagana miisa folo. Asehon’ny Evanjely ary ny endrik’i Kristy mpaminany, olon’Andriamanitra, mahery amin’ny asany sy ny teniny. Ity andalana soratra masina ity no ahitantsika ny fanasitranan’i Jesoa ilay boka.

Ny boka ho an’ny Jody dia midika famaizana avy amin’Andriamanitra noho ny fahotana, izay zavatra faran’ny ratsy indrindra ka ailikiliky ny olona, tsy afaka miara-monina amin’izy ireo. I Jesoa kosa nahita ny finoany sy ny fanetren-tenany: nandohalika izy sy niantso an’i Jesoa hoe "Tompo o", ary nangataka hoe : "Raha mety ianao dia mahay manadio ahy". Ny fahagagana nataon’i Jesoa dia nialohavana finoana. Fahagagana mba isehoan’ny voninahitr’Andriamanitra sy mba hinoan’ny mpianany azy (Jo 2, 11), misy toerana hafa tsy afaka nanao fahagagana izy noho ireo tsy nino azy (Mk 6, 5).

Nanaiky i Jesoa nanasitrana fa ny antony nahatongavany eto an-tany dia ny hanafaka, hanadio ny olona amin’ny fahotana. Tsy fisehosehoana ary no tanjon’i Jesoa ka nandrara izy tsy hilazalaza amin’olona fa naniraka ity boka hiseho amin’ny mpisorona ary hanolotra fanatitra araka ny nandidian’i Moizy. Ireto fangatahana nataon’i Jesoa ireto tamin’ilay boka sitrana dia fihetsika famerenana ny famendrehan’ilay boka, sitrana ka afaka miverina amin’ny fiaraha-monina ara-dalana indrindra moa afaka miverina amin’ilay Ray. Maniraka ilay boka hisaotra ny Ray amin’ny alalan’ny fanatitra. Ny fahagagana nataony dia maneho fa izy no loharanon’ny fiainana, fanantenana ary fanavotana ho an’ny olombelona.

Modely, fakan-tahaka ho antsika kristianina i Jesoa. Ny fampianarany sy ny fampanantenany dia tsy kabary fotsiny fa nasehony tamin’ny alalan’ny asa (Mt 11, 4s). Noho izany mampirisika antsika izy hanafaka ny fanaintainan’ny manodidina antsika : aretina sy hanohanana, fahantrana sy habadoana, tsindrihazolena sy fanandevozana. Koa amin'ny fomba inona ary no ahafahan'izao tontolo izao ankehitriny manazava ny fitsimbinan'i Kristy sy ny hetsika manafaky Vaovao Mahafaly eo amin'ireo rahalahintsika sy anabavintsika ?

Misaotra ry Ray, fa ny fanasitranan’i Jesoa ilay boka dia mampiseho aminay fa ny fitiavana dia tsy manilikilika na iza na iza, fa mamelona ilay olona sy mamerina ny hasiny. Isaky ny fanasitranana ataon’i Jesoa no manambara aminay ny halehiben’ny fony sy manamafy aminay ny fahatongavan’ny fanjakanao sy ny fitiavanao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...