Sabotsy 26 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17

Mankalaza ny fetin’ny fahaleovan-tena isika androany. Mivavaka manokana isika ho an’ity firenentsika ity mba ho Tanindrazana ahitan’Andriamanitra ny finoana velona. Miarahaba manokana koa ny Foloalindahy. Tsy kisendrasendra fa ny Soratra Masina anio dia miteny mikasika ity kapiteny, manam-boninahitra romanina iray ity. Vaky vava i Jesoa nahita ny finoany. Hoy i Jesoa : "Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely". Miaramila romanina, tsy voaray tsara loatra raha teo amin’ny fiara-monina satria mpanjanaka ary tsy hebrio, kanefa nanam-pinoana lehibe. Ho vahoaka Malagasy manam-pinoana tahaka ity manam-boninahitra ity anie isika mianakavy.

Ny faneken’i Jesoa hanasitrana dia mampiseho amintsika fa i Jesoa dia tonga ho an’ny olona rehetra, hanafaka ny rofy isan-karazany. Tsy natao ho an’ny Jody irery izany famonjena izany fa ho an’izao tontolo izao. Tonga ilay zanak’Andriamanitra, hamonjy izao tontolo izao. Dia mbola manamafy izany ny fanasitranany ny rafozambavin’i Masindahy Piera. Tsy nomen’ny fiarah-monina Jody lanja loatra mantsy ny vehivavy, indrindra moa vehivavy efa nahazo taona, efa lehibe. Tonga i Jesoa hamonjy ny rehetra na iza na iza tsy misy fanavahana, na kely na lehibe ; na vehivavy na lehilahy; na Jody na Jentily, izany hoe ny olombelona manontolo.

Tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany : "Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika". Mankalaza ny fetim-pirenena isika, modely ho antsika i Jesoa. Tonga Izy mba hanafaka, hamonjy antsika amin’ny rofy sy ny aretina isan-karazany. Ireo mpiray tanindrazana nitolona nahazoantsika ny fahaleovan-tena dia tena nampiseho izany fahafoizan-tena izany koa. Tsy ataontsika rano raraka an-tany izany fa indrindra moa ilay ran’i Kristy nafoiny ho antsika.

Ry Andriamanitra Andriananahary, mba tahio ity nosinay ity ka omeo fahendrena ny filoha sy ireo mpitondra anay ary ho olom-pirenena vanona sy kristianina mazoto anie ny vahoaka ao aminy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...