Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

Manoloana ny asa soa izay ataontsika tokoa, dia matetika toa ilaintsika ny dokadoka avy amin'ny hafa. Misy àry dia mizahozaho mihitsy hoe, izaho no nanao an'io. Eto i Kristy dia manitsy sy mampianatra antsika mba hahay hanetry tena sy tsy hisehoseho amin'izay asa fitiava-namana na asa fiantrana ataontsika : "Tandremo sao ataonareo eo imason'ny olona, hoy izy, ny asa soa ataonareo". Tsy ny mpianany ihany no anariny amin'izany fa isika tsirairay izay miaina ny maha kristianina antsika ankehitriny, indrindra manoloana ny fahasahiran'ireo havana, namantsika, ao anatin'izao trangam-piainana manjo antsika izao.

Fanampin'izany, ny fitiavam-bavaka ihany koa dia mila fanetren-tena, fa tsy sanatria hoe mila deradera eny amoron-dalana na any afovoan-tsena no mitatatata, te ho hitan'ny olona hoe mpitory teny na mpivavaka. Mpihatsaravelatsihy no iantsoan'i Kristy azy ireny. Henontsika tsara teo izany, tamin'ny alalan'i Masindahy Matio. Fiainana anaty mantsy ny fitiavam-bavaka, tsy hoe miafinafina ny mihiboka, fa amin'ny toerana mangina, ahafahana miresaka amin'Andriamanitra, satria ny vavaka, hoy isika, dia firesahana amin'Andriamanitra mba hitsaoka sy hisaotra azy, ary hifona sy hangataka aminy ny zavatra rehetra izay ilaina.

Hatsaram-panahy ilain'i Kristy ho an'ny mpianany tokoa ny fanetren-tena, ka tsy azo atao tsinontsinona na hoe hodiana fanina, satria mampisy lanjany ny fitiavana izay aseho. Koa na asa soa na fitiavam-bavaka na famolahan-tena amin'ny fifadian-kanina, hoy i Kristy, dia ampiaraho fanetren-tena fa hahazo valisoa avy amin'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...