♦ Voatendry omaly ireo ministra handrafitra ny Governemanta voavao amin'izao fe-potoam-pitondràna faharoan'ny filoha Andry Rajoelina izao. MInistra teo aloha 13 no tafaverina, 10 olom-baovao... ♦ Sekreteram-panjakàna maromaro eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika no hatsangana hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin'ny Lapan'i Iavoloha. Hanatevina ireo ministra eo anivon'ny Governemanta izy ireo... ♦ Tontosa omaly ny fankalazàn'ny Diôsezin'Antananarivo ny fetin'ny Fianakaviana Masina, izay mpiaro ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nentina nanohana azy... ♦ Feno 100 andro omaly ny niverenan'ny adin'i Israel sy ny Hamas Palestiniana...
♦Hampahafahatarina eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha rahampitso amin'ny 5 ora hariva ireo ministra voafantina tamin'ireo kandidà miisa 467... ♦ Tsy mifanaraka amin'ny pedagôjia ny famitàna ny fandaharam-pianarana mialoha ny fialan-tsasatry ny Paka ka tsy eken'ny vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Nahitàna fiakarany 2000 Ariary isaky ny kilao ny vidin'ny hena eny an-tsena ankehitriny... ♦ Hosokafana anio any Côte d'Ivoire ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'i Afrika Can 2024...
Alahady faharoa tsotra mandavan-taona : samy nantsoin'Andriamanitra tsirairay isika. Ny hafatry ny vakin-teny telo : Miantso antsika ho mpiara-miasa aminy Andriamanitra. Hoy Md Augustin : Andriamanitra ilay nahary antsika, tsy nisy antsika, dia tsy afaka mamonjy antsika raha tsy misy antsika. Izay manaiky an-tsitrapo sy am-pitiavana honina ao amin'ny Tompo dia aheno ny feony miantso azy ary sy ho ampitomboiny ao amin'ny fahasoavany. Isika olombelona rehetra no antsoina ho amin'ny fahamasinana...
♦ Mila mahay maka lesona ny filoha Andry Rajoelina hoy ny mpamakafaka pôlitika Soalihy Moussa, mba hahafahany mamita am-pitoniana ny fe-potoam-piasany faharoa... ♦ Efa nahatratra 18 ireo tranga fanolanana zaza latsaky ny 15 taona nandalo teny anivon'ny fampanoavana eny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo hatramin'ny fiandohan'ny taona 2024... ♦ Voamarina fa alika mpirenireny no nanaikitra ireo omby tany Brickaville tamin'ity herinandro ity hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana... ♦ Nandray fepetra ny any Colombie manoloana ireo gadra tafatsoaka any Equateur...
♦ Niarahaba ireo manamboninahitry ny foloalindahy Malagasy izay nanamarika ny 12 janoary ; andron'ny manamboninahitra ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Manohana ny tantsaha hisitraka ny zony amin'ny fananan-tany any amin'ny faritra iasany ny fandaharan'asa DEFIS, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana... ♦ Lehilahy roa no niakatra fampanoavana androany, ary nalefa eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy noho ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona... ♦ Miantso sy manentana ny mponina any Equateur ny fivondronamben'ny Eveka any an-toerana mba hahay hiray hina sy hampanjaka ny fandriam-pahalemana...
♦ Mbola eo am-pamolavolana ireo tetiandrom-pifidianana sy ny fomba enti-manatanteraka izany ny CENI ankehitriny. Mbola tsy nisy araka izany ny tetiandro navoakany... ♦ Ny 51,95% amin'ireo voafonja manerana ny nosy no misitraka ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny repoblika raha ny antontanisa vonjy maika voaray... ♦ Distrika telo amin'ireo Distrika efatra ao Amoron'i Mania no mbola ahitàna "Peste". Olona iray no ahiana ho matin'ity valanaretina ity ao Ambositra... ♦ Tafajoro ny governemanta vaovao tarihin'ny praiministra Gabriel Attal any Frantsa. Misy amin'ireo ministra teo aloha no tafaverina mandrafitra izany...
♦ Efa eny am-pelatanan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny tolo-kevitra amin'ny anaran'ireo ministra hotendrena ao anatin'ny Governemanta vaovao. Andrasana ny famoahana ôfisialy ireo mpikambana handrafitra izany... ♦ Miandrandra fihaonana amin'ny vondron'ireo mpampiasa ny FISEMARE manoloana ny fampiakarana ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miisa 280 reo boky novokarin'ny faribolana Sandratra tao anatin'ny 35 taona nijoroany... ♦ Nihoatra ny 200% ny tahan'ny fisondrotry ny vidim-piainana tany Argentine tamin'iny taona 2023 iny...
♦ Nanolotra ireo tolo-keviny any amin'ny filoham-pirenena momba ireo ministra hotendrena anaty Governemanta vaovao ny Praiministra androany, raha ny efa voafaritra. Haneho ny heviny eto momba izay fanendrena ministra izay ireo mpanao politika... ♦ Namoaka naoty ny eo anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny fihanak'ilay areti-maso "conjonctivite". Efa ahitàna io trangan'aretina io ihany koa eto Antananarivo amin'izao raha ny tatitra azo... ♦ Tsy maintsy hisy ny fisondrotan-karama ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity, hoy ny FISEMARE. Handefa taratasy any amin'ny vondron'ny mpampiasa izy ireo, hisian'ny fihaonana handinihana izany amin'ity volana ity...
♦ Mitaky ny hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny mpanolon-tsaina ny RMDM. Tapitra omaly ny fe-potoan-kiasany... ♦ Manampy an'i Madagasikara noho ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro farany teo i Etazonia. Fanampiana 4,7 taonina no natolotry ny amerikana... ♦ Mbola misy telo herinandro vao vita ny asa fanamboarana ny lalana Ankadimbahoaka mandalo ny Fasan'ny Karana hatreny Anosizato ao Antananarivo renivohitra. Nijery ny fizotry ny asa ny ekipan'ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hitory an'i Israely any amin'ny Fitsaràna Iraisam-pirenena i Afrika Atsimo. Ambaran'ny ao Pretoria renivohitra ho hetsika fandringanan'olona no ataon'ny Israeliana any amin'ny faritr'i Gaza ankehitriny...
Ny safidy dia mampivoatra ny maha olona. Mampivoatra ny maha-izay avy amin'ilay atao hoe "développement personnel" na fampivoarana sy fanatsarana ny maha-izay eo amin'ny sehatra izay misy dia isan'ny tena ilaina indrindra amin'ny sehatry ny asa, mikendry ny hampitombo sy hanatsara ny vokatra azo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Manova paik'ady indray ny dahalo ao amin'ny Distrika Ankazobe amin'ny fanafihana ataony. Manentana ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony ho mailo, hoy ny solombavambahoaka Rija Rasoava Rakotoarisoa... ♦ Maherin'ny 200 ireo voafonja afaka nivoaka ny fonjan'Antanimora omaly nahazo ny fanalefan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika... ♦ Nanokatra ny taona 2024 omaly ny RMDM. Vonona hiady amin'ny tsy rariny sy ny tsy fanajàna ny lalàna izy ireo. Mitohy ny tolona hoy ny mpitondra teniny Pasitera Edouard Tsarahame... ♦ Nanambara ny Praiministra israeliana fa tsy hihazona maharitra an'i Gaza eo am-pelantanany izy ireo. Ny hamongorana ny Hamas no tanjon'izy ireo...
♦ Havaozina sy hatsaraina ny paikady fanabeazana entina miatrika ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina sy ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ny SAFIDY. Misy ny atrik'asa ataon'izy ireo nanomboka androany any Antsirabe... ♦ Nahitam-bokany ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika Ankazobe, tsara ary tokony ho tohizana izany hoy ny vahoaka. Na izany aza tsy mbola milamina tanteraka ny any an-toerana... ♦ Miisa 909 ireo voafonja voakasiky ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika, ho an'ny fonja eny Antanimora. Nahatratra 263 ireo voafonja nahazo fahafahana hatramin'ny androany hariva ka efa nivoaka ny fonja...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco