Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 4-17)
Tamin’izany andro izany
tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao ny trano hitoerako?
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho,
hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta
ka mandrak’androany,
fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
Ary nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra,
moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely,
izay nasaiko hamahana an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe:
Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho ahy?
Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako amin’i Israely,
ary izay nalehanao nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao,
ny anaranao nataoko nalaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely aho
dia nampiorina azy eo,
ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao;
dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao,
ary hamafisiko ny fanjakany.
Izay no hanorina trano ho an’ny anarako,
ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany:
Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy.
Raha manao ratsy izy,
dia hofaiziko amin’ny rotsankazon’olombelona.
Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy,
toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao.
Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”
Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa
izany teny sy fahitana rehetra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 88, 4-5. 27-28. 29-30
Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko.
Ajoroko ho mandrakizay hoy Aho ny taranakao;
aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao.
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao.
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako,
sy ho avo indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.
Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany,
ho toy ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina
ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy,
Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina,
ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy
ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:
“Mihainoa:
Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy.
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo,
ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina,
fa nony niposaka ny masoandro,
sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara,
dia naniry sy nitombo, ary namoa,
ka ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany avo enim-polo heny,
ny sasany avo zato heny.”
Ary hoy Izy:
“Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.”
Nony efa nitokana Izy,
dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy
mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary hoy Izy taminy:
“Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana
mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra,
fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.”
Dia hoy Izy:
“Tsy azonareo va izany fanoharana izany?
Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny;
fa raha vao nahare izy,
dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato
no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela;
fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo
no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa,
dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka
no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa,
ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany enim-polo heny,
ary ny sasany zato heny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 6, 12b-15. 17-19)
Tamin’izany andro izany:
Niainga nandeha i Davida ka nampiakatra ny fiaran’Andriamanitra
avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida
nombam-panotrona maro niravoravo.
Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ny Tompo,
dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’ny Tompo,
ary nisikina efôda rongony madinika.
Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara
no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’ny Tompo.
Nony tafiditra ny fiaran’ny Tompo
ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay
nasain’i Davida natsangana ho azy,
dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’ny Tompo i Davida.
Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy sorom-pivavahana
dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika izy.
Dia samy nomeny mofo mamy iray sy hena iray didy
ary ampembam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra,
ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy.
Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 23, 7. 8. 9. 10
‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao;
‘nareo varararana re, misondrota!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.
‘Nareo vavahady atrakao ny tatao;
‘nareo varavarana re, misondrota.
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aieloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:
“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.”
Fa novaliany hoe:
“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”
Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:
“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Miisa 86 ireo tokan-trano marefo ao Feferamanga-Arivonomamo kendrena hisitraka ilay tetik'asa "Ankohonana Miarina" hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mitaky ny hamoahana ny préfet an'i Mahajanga any am-ponja ny sendika SYNAD, araka ny tinapak'ireo administrateur civil izay nivory ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nodimandry kosa Rakotomalala Henri na i Riribe izay fantatra tamin'ny fanoherana sy ny fitarihana ny federasiôn'ny Federasiôn'ny gadra pôlitika... ♦ Samy mbola mitàna ny heviny ny Israeliana sy Hamas Palestiana monoloana ny raharaha ao Gaza...
♦ Taratry ny fitantanana an'i Madagasikara ny zav-misy eto amin'ny tanànan'Antananarivo amin'izao hoy ny vovonana Mamita... ♦ Nanomboka ny asa fanadiovana ireo lakan-drano sy fanesorana tsikafona ao amin'ny boriborin-tany voalohany sy fahaefatra ao Antananarivo-renivohitra tanterahan'ny BNGRC... ♦ Manomboka maro ireo olona manantona ny toeram-pitsaboana tsy miankina eto Antananarivo mitsabo ilay aretina maso "conjonctivite bactérienne"... ♦ Miaramila miisa 90.000 no hahetsiky ny OTAN amin'ilay fanazaran-tena ara-miaramila tanterahina manomboka amin'io herinandro ambony io...
Alahady fahatelo tsotra taona-B : Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna ; akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra, minoa ny Evanjely. Alahady fahatelo amin'ny volana Janoary dia natokan'i Papa Ray Masina ho amin'ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, fotoana natao handiniana ny anjara toeran'ny Soratra Masina eo amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina dia tsy fahalalana an'Andriamanitra. Nanohy ny fitoriana ny Evanjely efa nataon'i Joany ihany koa i Jesoa, miantso amin'ny fibebahana. Namela ny maha-izy azy, ireo mpianatr'i Jesoa nantsoiny hanaraka azy ary nihofo araka izay nampianarin'i Tompo...
♦ Miara-misalahy amin'ny fanesorana ireo fako ao Antananarivo ny ministeran'ny rano sy ny Faritra Analamanga, mahatratra 2.000 m2 isan'andro ny fako hesorina ao an-drenivohitra... ♦ 25% amin'ny mponina eto Madagasikara tsy manana soram-piankohonana ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany... ♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny tetik'asa Pôle intégré de croissance na ny PIC andiany faharoa... ♦ Palestiniana miisa 80 indray no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny zera baomba mahery vaika nataon'ny tafika Israeliana tao Bande de Gaza...
♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny fandaharan'asa MBF Agribusiness ao amin'ny tetikasa PIC 3... ♦ Manome tanana amin'ny fanesorana ny fakon'Antananarivo ny Minisiteran'ny Rano sy ny Governemanta iray manontolo, ary ny Faritra Analamanga. Mahatratra 2000 m3 isan'andro ny fako ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 25%-n'ny mponina eto Madagasikara dia tsy manana sora-piankohonana, ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany, araka ny tarehimarika navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena...
♦ Notendren’i Mgr Georges Varkey, Evekan’i Port-Berger, ho Vikera Jeneraly, i P. Ravelomalaza Jacques Pierre Adolphe, Curé ao amin’ny Paroasy Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely… ♦ Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torio, hoy i Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra miisa 25 nohamasinina ny alahady 14 janoary 2024… ♦ Ny tena fitiavana marina dia mahafoy ny tenany ho an’ny hafa… ♦ Any Etazonia, notanterahina ny 18 nifoha 19 janoary ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina…
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 5, 1-7. 10)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Hebrôna amin’i Davida
ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe:
“Indreto izahay fa taolanao sy nofonao ihany izahay.
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza,
dia tsy iza fa ianao no mitondra an’i Israely nivoaka sy niditra.
Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe:Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andrian’i Israely.”
Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Isarely;
ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany,
teo anatrehan’ny Tompo, i Davida mpanjaka;
ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka,
ary efapolo taona no andro nanjakany.
Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana,
ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra telo amby telopolo taona.
Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema,
hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany.
Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe:
“Tsy ho tafiditra atý ianao,
fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.”
Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna;
ny tanànan’i Davida izany.
Nandroso nihambony hatrany hatrany i Davida,
ary nomba azy ny Tompo Andriamanitry ny tafika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 88, 20. 21-22. 25-26
Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao,
nanao tamin’ny voafidinao hoe:
Nanandratra olo-mahery iray Aho;
nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.
I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.
Ny Fahamarinana sy Hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Hapetrako eo amin’ny ranomasina ny tanany anila,
ary eo amin’ny ony lehibe ny tanany anila!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)
Tamin’izany andro izany,
ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:
“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”
Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe:
“Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany
ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra,
sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nahavelom-bolo ireo andrianjahonoany matihanina eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, ny safidin'ny mpitondra ka nanome fitokisana ny Minisitra Rasata Rafaravavitafika. Izy no andrianjahonoany matihanina fahefatra nomena andraikitra tao amin'io minisitera io... ♦ Ho betsaka ny rotsak'oraka any amin'ny faritra afovoany atsinanana anio, ary hanomboka amin'ny alahady izany ho an'ny Faritra Diana... ♦ Mitady hahazo vahana ny fanolanana zaza tsy ampy taona, any amin'ny Faritra Vatovavy...
Bokin’i Jônasy Mpaminany (Jônasy 3, 1-5. 10)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Jônasy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao”.
Dia nitsangana i Jônasy, ka nankany Niniva,
araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra,
fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy,
ka nitory izy nanao hoe:
“Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!”
Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Nahita ny nataon’izy ireo,
sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra,
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra,
ka dia tsy notanterahiny indray izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 24. 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9
Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ny soritrao ampianaro ahy.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao
izay efa hatramin’ny fahagola.
Noho ny fitiavanao, ry Tompo,
hadinoy ny otako fahazaza.
Tsara sy mahitsy ny Tompo;
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
ary ampisehoany ny lalany.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 7, 29-31)
Ry kristianina havana,
izao no hevitro:
fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao,
aoka ny manambady ho toy ny tsy manana;
ny mitomany ho toy ny tsy mitomany;
ny mifaly ho toy ny tsy mifaly;
ny mividy ho toy ny tsy manana;
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra;
fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)
Tamin’izany andro izany,
rehefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa
nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana,
ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.
Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy,
dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”.
Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy.
Nony nandeha kelikely Izy,
dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony.
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy,
ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany,
fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hifanatrika manoloana ny Fitsarana ao Fianarantsoa amin'ny 8 febroary 2024, ireo mpitsabo nandray an-tanana ireo zazavavy kely roa nanaovana fizaham-pahasalamana noho ny resaka fanolanana. Anton'izany ny valin'ny fizahana tsy mitovy... ♦ Hiverina hiakatra Fitsarana indray i Mbola Rajaonah, ny 20 febroary 2024, izany hoe enina andro ao aorian'ny hahavitany ny sazy an-tranomaizina dimy taona nomen'ny PAC... ♦ Efa ahitana ny aretimaso “conjonctivite”, ny sekoly sasany ao an-drenivohitra ankehitriny. Efa mandray fepetra ny fikambanan'ireo sekoly tsy miankina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco