♦ Hanalalaka ny fanehoan-kevitra sy hanery ny mpitondra amin'ny fomba fitantanana ny firenena ny fahazoan'ny mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste écologiste... ♦ Tokony esorina ny Tale jeneralin'ny Jirama amin'izao, fa sady tsy mahavaha olana no mbola karamaina lafo, hoy ny FIMZOMPAM. Nambaran'ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity fa vahaolana teo aloha no nambarany...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240819.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...