♦ Andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor no tale jeneralin'ny Bianco voavao, izy no handimby an'Andriamatoa Laza Erick Donnat Andrianiriana nahavita fe-potoam-piasana 5 taona tsy azo havaozina... ♦ Andro faharoa amin'ny FIER MADA ny anio. Nanomboka omaly hatramin'ny alahady izao eny amin'ny Maki Andohatapenaka ity Tsenabe iraisam-pirenena momba ny toe-karena ambanivohitra andiany faha-25 ity...  ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny tetik'asa AVOTSE. Ny hampihenana sy hanalefahana ny voka-dratsy ateraky y loza voajanahary toy ny hain-tany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy no tanjona... ♦ Mihatra ao Koursk ny amehana amin'ny tany miady...

[audio src="/images/sounds/jma-20240808.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...